Ianareo Rehetra Donto

Izay rehetra atahorana dia gejaina tsy hivoaka,
Fa alatsaka ny didy mba ho fanenjehana azy?
Tena hita be ‘nareo efa tena tsisy hapoaka,
Ireo mpamafy soa indray no toa kasaina homena sazy!

Tena tsy hainareo mihitsy ny mitandro fihavanana,
Ary koa ny soatoavina, tena tsy hainareo apetraka.
Ny mpizara fanampiana, ireny indray ve no sakanana,
Ry mpitondra diso lalana efa zatra mihetraketraka?

Izay rehetra mba nambinina ka mitondra tolo-tanana,
Dia tsy ataonareo mitraka fa mahazo fandrahonana?
Ianareo Rehetra Donto ve no sisa aseho fa manana,
Fa ny fanampian’ny hafa dia raràna sy takonana?

Tena ontsa ny mpitazana eo am-pahitàna izany,
(Tena fihetsika tsy mendrika sady tena ambany loatra!)
Ny mahantra no tsinjovy sy tsimbino hatrany hatrany.
Ianareo Rehetra Donto, mba meteza koa hivoatra!

DADAN’i ZINA (10/02/2020)