EDITO 13 Febroary – Tsy fandriampahalemana – Fototr’olana mihitsy no tsy voavahan’ny fitondrana

Sôh’son

Miverina ho mafimafy indray ny firongatry ny asan-jiolahy tato ho ato ary tsy milamina ny tany araka ny fitenenana. Inona no anton’izany? Ankoatra ny fahantrana lalina mamàka sy mamahatra mafy eo anivom-piarahamonina, dia eo ny fikorosofahana mankany amin’ny ratsy sy habibiana. Na ambara ho miezaka miady mafy amin’izany aza ny fitondrana dia toy ny langilangy zozoro sy miendrika kely endaka ihany manoloana izany. Hita ho tsy mihemotra mihitsy ireo jiolahy manao ny asa ratsiny ary na misy fongotra aza ny andiany saron’ny mpitandro filaminana, dia toa misy vaovao hatrany ary maromaro mipoitra, fa tsy mety lany ritra ireo olon-dratsy. Efa taona maro izay no mandry tsy lavo loha ny vahoaka amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity noho ny asan-jiolahy. Tsy ambanivohitra tsy an-tanàn-dehibe fa itrangan’ny mpanao ratsy avokoa. Mirongo fitaovam-piadiana hatrany izy ireo, ary tsy mifidy asiana, toy ny nanjo ireo mpivady nodoran’ireo jiolahy fa tsy nisy afa-tsy vola kely dia kely no mba nananany.

Midika tanteraka ho fiharatsiam-piarahamonina izany rehetra izany, izay midika koa izany fa tsy misy fandrosoana sy fivoarana eto amin’ny firenena hatreto. Ho an’ny mpandinika ny fiainam-pirenena dia teo amin’ny taona 2009 no nipoiran’ny voa ratsy maro nampirongatra izao fikorosoam-piarahamonina Malagasy izao. Ankehitriny dia mitrebona sy maniry izany ary izao iaraha-mahita sy miaina izao. Ny vahoaka hatrany aloha no mizaka ny vokany sy mifafa ny kihony na ireo ampahany nandrisika ho amin’izany tany am-piandohana, noho ny tsy fitsinjovana lavitra sy ireo nanohitra fa nahatsapa ny hahapotehan’ny firenena amin’ny ho avy.

Inona no vahaolan’ny fitondrana? Milaza ho manao fa iaraha-mahita aloha ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandrom-bahoaka. Tsy vitana olona milaza ho teknisiana na avy eto an-toerana na avy any ivelany io, na miseho mpanao politika basivava sy be kabary. Ambara mandrakariva ny vahaolana, fa mila mijery ny fototr’olana marina eto amin’ny firenena sy manao asa mivaingana tsy miharo politika toy ny fanao mahakasika ny vahoaka sy ny sosialiny, ary mila fongorina hatramin’ny fakany ireo dahalo ambony latabatra.