Volana febroary: volana nampitondra faisana ny Firenena

Andry Tsiavalona

Iaraha-mahatadidy fa nisy teo amin’ny tantaram-pirenena ireo volana nanamarika tranga miavaka amin’ny hafa. Azo tanisaina eto ireo volana nametraka tantara, ka anisan’izany ny volana janoary 2009, ka nisehoan’ny « alatsinainy mainty » ny 26 janoary. Handingana kely ka teo ny 26 martsa 2009 izay nisian’ny fanonganam-panjakana. Tsiahivina ny 10 Aogositra 1991 nisain’ny « Diaben’ny Fahafahana », niafara tamin’ny firodanan’ny Repoblika II. Teo ihany koa ny 13 Mey 1972 izay nitarika ny fionganan’ny Repoblika I. Kihon-dàlana nolalovan’ny Firenena ireo ary noheverina, fa nitondra fivoarana teo amin’ny sehatra rehetra satria ny toe-draharaha toy ireny dia toa mampanantena izany. Ny rà latsaka tokoa mantsy dia fanatsarana ny fiainana araka ny finoan’ny gasy.

Raha ny zava-nisy anefa dia fotoana fohy ihany dia rava izany finoana izany, ka nivadika ho fahadisoam-panantenana teo amin’ny vahoaka. Ny Alarobia 5 Febroary lasa teo no notsiahivina ny nanoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny fahefana tamin’ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Ny 11 Febroary, enina andro monja taorian’izany dia tratran’ny vela-pandrika teny Ambohijatovo Ambony ny Kolonely Ratsimandrava Richard, ka maty. Nisy moa ny voatondro fa tomponandraikitra tamin’izany. Hatramin’izao, dimy ambiefapolo taona aty aoriana dia tsy mbola misy mangirana ny momba iny raharaha iny. Ny mpandinika dia nahatsapa tamin’izany fotoana izany fa matoa nanipy ny fahefana tamin’ny Kolonely ny Jeneraly dia noheverina fa nitovy tamin’ireo kolonely tany amin’ireo firenena hafa taty Afrika, ny Kolonely Mengistu Ailié Mariam tao Ethiopia ohatra. Tsy mitovy velively anefa satria ny teto Madagasikara dia tena nandala ny demokrasia tamin’ny alàlan’ny fitsinjaram-pahefana mifototra amin’ny “fokonolona” izay soatoavina Malagasy madiodio ny Kolonely Ratsimandrava Richard, ka tsy tantin’ny politisiana sasantsasany izany. Ankoatr’izay dia nety nisy fifampialonana ihany koa tao amin’ireo samy mpikambana tao amin’ny governemanta sady samy nanana ny fironany tamin’ireo firenen-dehibe koa izy ireo. Iny 11 Febroary 1975 iny no nisy famonoana filoham-pirenena teto amin’ity Nosy ity.

“Nankalazaina” omaly ihany ny 7 Febroary 2009 izay azo heverina fa nety ho fanonganam-panjakana satria ny praiminisitra notendrena teny an-dàlambe no nitarika ny olona nananika ny Lapan’Ambohitsorohitra, rehefa nolazaina fa tsy ho tonga hatramin’ny farany ny “tolona” raha tsy misy rà latsaka. Tsy ny ràn’izay nokendrena anefa no latsaka fa ny an’ny mpiray firenena izay tsy nahafantatra izay tena tao ambadiky ny hetsika. Niteraka fisaraham-bazana teo amin’ny Malagasy ny namonoana ny Kolonely Ratsimandrava Richard satria taorian’izany dia ny sehatra rehetra dia nanjakan’ny fampisongadinana ny resaka foko, ka ny ambaratongam-pitantanana teo amin’ny asam-panjakana dia nipetraka foana ny “quota ethnique”. Fidirana tao amin’ny Akademia Miaramila, tao amin’ny ENAM. Tsy teo amin’ity sehatra ity ihany fa hatramin’ny fahazoana vatsim-pianarana nianatra tany ivelany. Ireo ny santinoan’ny taorian’ny 11 Febroary 1975.

Raha ny momba ny 7 Febroary 2009 indray dia iaraha-miaina ny farasisa navelany. 11 taona aty aoriana dia anisan’ireo firenena efatra mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, ka ny Malagasy no tena mitondra faisana ankoatry ny sakafo efa tsy voavidy intsony dia mifamono noho ny vaky trano sy asan-dahalo izay mahazo vahana sy tsy mbola ahitana fanafodiny hatramin’izao. Azo notsapain-tànana ihany ny fivoarana kely teo amin’ny sehatra rehetra talohan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 saingy maizina tanteraka ny ho avin’ny Firenena malagasy. Ireo tranga roa tao anatin’ny volana febroary ireo dia azo hisainana fa tsy ny hetsika sahala amin’ireny velively no hitondra fivoarana eo amin’ny fiainan’ny firenena.