EDITO 6 Febroary – Fiainam-pirenena – Very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy

Helisoa

Very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy ankehitriny, satria diso fanantenana tanteraka amin’ny zavatra ataon’ny fitondràna, izay hoe TGV hihazakazaka mafy, ho haingam-pandeha hampandroso ny firenena, nefa ny mifanohitra amin’izany no misy ankehitriny.

Natao avokoa izao fampanofisana isan-karazany izao hambaboana ny fo, kanjo lasa nofy ratsy ho an’ny valala be mandry ny zavatra hita. Lazaina fa miasa ny fitondràna ankehitriny, nefa raha ny marina dia ny zavatra kely mba efa teo ampelatanan’ny vahoaka indray izao no tsetsefina sy alaina aminy. Hita izany nandritra ny herintaona naha teo amin’ny fitondràna ny filoha Andry Rajoelina. Ny tany efa nohajariany nandritra ny taona maro no lasa bodoin’ny manambola fotsiny. Tanimbary fivelomana sy manana ny tantarany no lasa totofana omena ny vahiny tsy misy fieràna akory.

Ankoatra izany, tsy misy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa ny asa ataon’ny mpitondra, fa rendrarendra sy izay ahitàna bizina amin’ny fitenin’ny tanora no manjaka. Inona moa no mahamaika nandrodanana ny kianjaben’i Mahamasina raha tsy hiteny afa-tsy izay fotsiny, izay kianja tsy hoe ratsy manao ahoana ka mila atao maika ny hanovàna azy? Tsy fantatr’ity fitondràna ity mihitsy izay tena maharary ny vahoaka Malagasy, fa izay ao an-tsainy sy hahazoany tombontsoa ihany no tanterahany.