Teny Mahazo – Voaompa sy voahorakoraka ny Filoha Rajoelina

Helisoa

Voaporofo ankehitriny fa tena tsy faly amin’ny mpitondra TGV ny vahoaka Malagasy, fa tahotra amin’ny fanamparam-pahefàna ataon’ny mpitandro filaminana fotsiny no mitazona azy ireo tsy hitroatra.

Vao ny talata lasa teo ny vahoaka tany Ambatolampy no nanao fihetsiketsehana manohitra ny fidangan’ny hetra alaina amin’ny mpandraharaha madinika any an-toerana raha tsy hilaza afa tsy izay fotsiny eto amin’ny gazety. Fa ny omaly dia henatra no nahazo ny mpitondra TGV, fa horakoraka sy siotsioka ary ompa no nahazo ny kaoritezin’ny fiara nitondra ny filoha Andry Rajoelina, raha nandalo teny Mahazo iny. Midika izany fa ny vahoaka tsy miteny io anie, ka misy vainafo mahamay ny ao ampony ao , ka mety hipoaka amin’ny andro tsy ampoizina e!

Nandritra ny herintaona nitondràn’i Andry Rajoelina dia tsy nisy zavatra mba nahafaly ny vahoaka no vitan’ity fitondràna ity ary tsy araka ny fampanantenana izay natao. Asaivo mamono afo hatrany ny seraseran’ny mpitondra ao manenjika ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny fitondràna, fa dia amin’ny tsy ampoizina no mety hisy zavatra hipoaka eto.

Ny nahatonga ny fahatezeran’ny mponina teny Mahazo omaly dia noho ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana teny an-toerana, nefa tsy misy vaha-olana omen’ny fitondrana hamindrana azy ireo.

Ankoatra izany, mazava ny tenin’ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana hoe: mba izay laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka aloha no tokony himasoana fa ny rendrarendra tsy mitondra mankaiza mila havela aloha. Izao ka afabaraka tanteraka tamin’ny tsy nampoizina ny filoha Andry Rajoelina teny Mahazo.