Ny Rado Rafalimanana – Avelao ny Malagasy hifanome tanana fa aza asiana resaka politika

Helisoa

Nahafantarana ny ONG Fanahy no Mahaolona tarihin’ny filohany, Ny Rado Rafalimanana sady ambasadaoron’ny WFDP: World Fund Development for Madagascar, ny resaka fanaovana asa soa indrindra rehefa misy ny loza voajanahary mihàtra eto amin’ny firenena. Tsy niresaka mihintsy aho hoy Ny Rado Rafalimanana taorian’ny fifidianana filohan’ny repoblika. Ankehitriny anefa , noho ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena mahazo ny mpiray tanindrazana vokatry ny ranobe manerana ny Nosy dia mijoro izahay hoy izy hanampy sy hitondra fanampiana ho azy ireo.

Re izany nandritra ny fihaonan’ny ONG Ny fanahy no Mahaolona tamin’ny mpanao gazety tao Antaninarenina omaly. Hisy hoy izy ny fiaramanidina hitondra entana 100 taonina raha mahazo alalana avy amin’ny fanjakàna, ankoatra izay, hisy ny fiantsoana faobe ireo injeniera Malagasy hitety tanàna hijerena handinihana ny fanampiana ireo rava trano amin’izany. Tsy mitsabaka amin’ny asan’ny mpitondra izahay hoy Ny Rado Rafalimanana amin’izao asa ataonay izao, fa tena voinkava mahatratra ho amin’ny mpiray tanindrazana no ataonay, ka ny WFDP hoy izy no hamatsy arabola ny asa atao rehetra. Hiaraka amin’ireo teknisiana injeniera tanora ireo izahay, ka 15 andro hoy izy no hanaovanay izany, any Tanambe Amparafaravola, no hanomboana ny asa, avy eo rehefa vita izany dia hanampy amin’ny fanamboarana ny trano rava izahay.

Nahitsy ny ONG Fanahy no Mahaolona raha niresaka tamin’ny mpanao gazety, fa tsy afaka hanome ny fanomezana omeny ny traboina eny amin’ny BNGRC izy ireo satria efa nisy ny zavatra tsy nety niseho 2 taona lasa izay. Nisy ny entana iray kaontenera navela simba tao amin’ny port fotsiny. Koa raha tamin’ny mpitondra teo aloha no nisian’izany dia omeo alalana aloha izahay hizara io entana entin’ny fiaramanidina io hoy izy. Tsy mila voninahitra sy dera izahay, fa ny fijerena ireo traboina no mahamaika anay hoy hatrany Ny Rado Rafalimanana. Aoka re mba tsy atao resaka politika ny fanomezana fanomezana ho an’ny vahoaka, fa avelao ny Malagasy hifamonjy. Aza manana ahiahy ianareo fa ny skoto no omenay andraikitra hizara ny fanomezana, ary afaka hasiana miaramila betsaka hijery ny fizaràna ny entana amin’izany.

Nilaza Ny Rado Rafalimanana, fa tsy ankasitrahany ny fanambaràna navokan’ny fanjakàna amin’ny fisakanana ny Malagasy hamonjy ny mpiray tanindrazana aminy .