Loza voajanahary – Hitondra fanampiana ho an’ireo traboina ny RMDM

RMDM

Niaina

Raha araka ny tarehi-marika farany navoakan’ny BNGRC, na ny Birao Nasionaly mpitantana ny loza sy ny tandindon-doza, mahatratra I20000 latsaka eo amin’izao fotoana ny olona traboina manerana ny nosy, noho ny tondra-drano namely faritra maromaro teto amin’ny Nosy, nanomboka ny herinandro teo. Araka ny vaovao voaray, tsy hitazam-potsiny manoloana ireo voina mahazo ny firenena sy mpiara-belona amin’izao fotoana izao taorinan’ny fandalovan’ ilay andro ratsy, fa hitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina manerana ny Nosy, ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, tarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Efa eo am-panomanana ny fanampiana hatolotra ho amin’izany izy ireo ankehitriny, na ho vola, na ho zavatra tena ilain’ireo traboina, ka hatolotra mivantana any amin’ireo traboina izany, na homen’izy ireo ny BNGRC ihany koa, izay mpiandraikitra ny traboina eto amintsika.