Fanavaozana an’i Mahamasina – Mpandrava marina ny fitondrana Rajoelina fa tsy mpanangana

Fandravana ampahan'ny kianjan'i Mahamasina (Sary nindramina)

Ny Valosoa

Efa nolazaina tamin’ity gazety ihany fa ny FIFA, na ny Federasiona Iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra no miantoka ny fanavaozana ny kianjan’i Mahamasina. Firenena maromaro aty Afrika no nomen’ny FIFA fanamboarana kianja toy izao atao ho antsika eto Madagasikara izao.

Ny FIFA no miantoka manontolo ny famatsiam-bola, fa ny fandraisana anjaran’ny fitondrana kosa dia ny manomana ny hanamboarana ny kianja, toy ny fandravana izay hanorenana avy eo. Ka voaporofo amin’izao fa mpandrava tokoa ny fitondrana Rajoelina fa tsy mpanangana, ny foto-drafitrasa efa tsara toa an’i Mahamasina no voatery tsy maintsy potehany, azo atao anefa ny nangataka tamin’ny FIFA ny hanamboarana kianja vaovao, mpanangana vaovao izy amin’izay, fa tsy mpandrava toy ny misy ao Mahamasina ankehitriny. Raha tany an-kafa no natao ilay kianja nomena dia mba hanana kianja lehibe roa Antananarivo sy i Madagasikara, fa tsy tokana toa an’i Mahamasina fotsiny, noho ny safidy diso nataon’ny fitondrana Rajoelina.

Araka ny fanadihadiana natao, misy ny manana soso-kevitra ny olona, maninona raha kianja vaovao teny amin’ny faritr’i Iavoloha, na Bevalala, na by pass, fa tsy ny vakoka toa an’i Mahamasina no noravana.