EDITO 28 Janoary – Kely hery tsy mahatafarina ny fiharatsiam-piarahamonina ny fitondrana

Sôh’son

Maneho ny fahasimban’ny fiarahamonina malagasy ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina sy ny soatoavina. Efa mizarazara ny fomba fiheverana noho ny antony samihafa, hany ka voadona hatramin’ny hasina tokony hotandrovina fatratra toy ny anakandriamaso. Miharitra ny voka-dratsin’izany ny rehetra ankehitriny.

Endri-javatra iray vaovao nitranga ny amin’ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny amin’ny fandraràna ny olom-pirenena na fikambanana hikarakara hetsika fanangonam-bola na mandray fanomezana ankoatra ny nankatoavin’ny fitondrana ihany dia ny eo anivon’ny biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza voajanahary. Amin’ny lafiny iray mety ho tsara ihany angamba izany, kanefa maneho ny ahiahy tsy ihavanana amin’ny fisian’ireo efa manana tanana zatra mitsotra eo anivom-piarahamonina malagasy amin’izao fotoana izao izany. Efa maro araka izany ny olon-dratsy tsy menatra intsony amin’ny fanodinkodinana fanomezana toy izany eto amin’ny firenena, ka ezahina ny misoroka azy ireo toy izao. Maneho ny fitomboan’ny ratsy sy ny tsy faharesena azy ireo izany. Midika ho fiharatsian’ny fiarahamonina ihany koa izany.

Olana mpiseho eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ihany koa izao, ny amin’ny fahapotehana na faharavan’ny soatoavina. Iza no afaka hilaza mahitsy, fa mbola mihatra ny fahendren’ny Ntaolo hoe: “trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana”. Toa tsy vitan’ny ankilany akory ny mikarakara ny andaniny tratry ny voina. Misy hatrany ny fanararaotana ireo fianakaviana iharam-boina amin’ny halatra amin’ny endriny samihafa. Niaraha-nahita ny nanjo ireo olona sy fianakaviana nararaotina tamin’ny hofan-trano midangana be izaitsizy rehefa voatery tsy maintsy miala mifindra-trano ireo mponina tataovan-doza teny Ambanin’Ampamarinana, ohatra. Mety hanamafy ny tsy firaisan-kina ihany koa izao fepetra noraisina izao, satria voatery hiandry ny tomponandraiki-panjakana ny olom-pirenena na olona malala tanana vao hanolotra ny anjara birikiny fanampiana ny mpiara-belona.

Maneho ny fivakisan’ny fiarahamonina izany ary very ny firaisan-kina. Io firaisan-kina io anefa, izay fototra iray lehibe amin’ny fihavanana Malagasy, dia zary ataon’ny fitondrana ankehitriny an-tsirambina sy heveriny ho vitavita ho azy amin’izao fotsiny. F’angaha izy io vitan’ny tenitenenina fotsiny eny an-dapa na kabary amin’ny lanonana atrehin’ny solontenam-panjakana samihafa. Izany mantsy no ataon’ny fitondrana “aoka isika hiray hina…”, dia izay. Efa ela no niverina ny firaisan-kinan’ny Malagasy raha nety izany. Mbola manamafy io an-tsirambina ataon’ny fitondrana amin’ny resaka fihavanana sy firaisan-kina io ny fandrirarirana ny amin’ny anjara birikiny tokony harotsany ao amin’ny filankevitra fampihavanana Malagasy…

Hatreto izany, ny fitondrana Rajoelina dia toy ny langilangy zozoro ihany, na toy ny mpitan-damba mihitsy amin’ny fikororoso fahan’ny fivakisam-piarahamonina sy ny tsy fisian’ny firaisan-kina izay tokony ho fototry ny fampandrosoana ny firenena. Tsy atao ho mahagaga raha mihazohazo tsy misy fivoarana ny fiarahamonina sy ny firenena.