Depiote Me Hanitra Razafimanantsoa – Aleo hanampy ny rehetra afaka manampy ny traboina

Depiote Hanitra Razafimanantsoa

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra momba ny fanampiana ireo traboina, maneho hevitra mahakasika izany ny depiote voafidy tao Antananarivo I, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Me Hanitra Razafimanantsoa:

Inona daholo ireto fanambarana avoakanareo mpitondra fanjakana izay samy hafa ireto? Any ivelany any, ady amin’ny Coronavirus no malaza, ny eto Madagsikara mbola ady amin’ny olona sy fikambanana te hanampy ny traboina no resahina. Ampitovio aloha ny tadin-dokanganareo mpitondra fa manakorontana indray. Aoka tsy ho simbaina ny sotoavina malagasy. Aoka hanampy izay afaka hanampy ny traboina, mbola marobe ireo toerana tsy misy mpijery sy mamonjy.

Tsy misy hifaninana amin’ny Fanjakana eo fa anjara asanareo io. Ny sisa manampy fotsiny. Fa anjaranareo koa ny misambotra sy manafay ny mpananararaotra indrindra ireo zatra lalan-dririnina. Aza asiana loko fa Malagasy iray isika. Ny vahiny aza te hanampy koa, isika no ho raràna ve raha te hanampy?

Izay afaka manampy dia tokony hanatitra izany mivantana amin’ny traboina, na any amin’ny BNGRC, izay birao nasionaly mitantana ny loza sy ny tandindon-doza.