EDITO 25 Janoary – Tsy misy fivoarana ny fomba fambolen-kazo

Ny Valosoa

Ingahy Rajoelina rehefa mahazo fitenenana dia sahy milaza fa tsy nahavita inon’inona ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny 60 taona, fa izy ihany no nitondra fiovana sy fivoarana teto amin’ny firenena.

Resaka tsy mitombina daholo izany, satria porofo mitohoka amin’ny tendany ny zava-niseho tamin’ny fambolenkazo farany teo, tsy nisy ny fiovana, fa ny fomba fanao teo aloha ihany no natao tany Firarazana Ankazobe.

Inona moa izay fomba fanao tsy miova izay? Tabatabaina fa mandray andraikitra ny filoha manome lanja ny fanarenana ny tontolo iainana, ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena miara-mirodorodo mamboly hazo miaraka amin’ny filoha. Natao izay hahatongavan’ny mpiasampanjakana maro.

Inona anefa ny vokany?

Volabe no lany nitaterana ireo mpamboly hazo, solika an-tapitrisa no lanin’ireo fiara tsy mataho-dalana nitondra ireo manampahefana. Ingahy filoha nandany volabe tamin’ny angidimby. Ho an’ny mpamboly hazo tsirairay, nisy ny vola lany tamin’ny sakafo sy zava-pisotro. Tonga ny hariva, vita ny fambolenkazo, navoaka ny tarehimarika, fa 1 200 000 hono ny zanakazo voavoly.

Voaporofo fa ny manao lanonana no tena manavanana an-dRajoelina, fa tsy ny fampandrosoana, satria matoa tsy nahomby ny voly hazo hatramin’izay dia satria tsy natao ho an’ny ministra na tompon’andraikitra ambony, na mpiasampanjakana ny fambolenkazo, fa ny tantsaha no tokony homena andraikitra hamboly hazo satria matoa misy ny dorotanety ary may ireo hazo novoleny, dia tsy niaro ireo hazo ny tantsaha satria tsy izy no namboly ireo hazo.

Tsotra ny vahaolana, raha tiana hahomby ny fambolenkazo, omeo andraikitra ny tantsaha any ifotony, ny vola lany amin’ny fihetsiketsehana: lanio hanaramana ny tantsaha, fa rehefa ny tantsaha no mamboly hazo, hainy foana ny miaro ny hazo amin’ny dorotanety, ny dikan’izany: tsy mila miseho ho mpitondra hevibaovao i Rajoelina fa mbola manoatra noho ny tsy mety nataon’ny mpitondra hatramin’izay ny nataony.