Veliranon’Iarivo: be famaritra toa rambon’osy ny ben’ny tanàna vaovao

Andry Tsiavalona

Notanterahina ny alakamisy maraina lasa teo ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny tanàna teo aloha, Ravalomanana Lalao, sy ny nambaran’ny Fitsarana momba ny ady amin’ny Fanjakana sy ny ara-bola (Tribunal Administratif et Financier), fa lany hitantana ny Renivohitra indray mandritra ny efatra taona.

Ny tolakandro kosa no nametrahana ny samboady manamarika ny maha ben’ny tanàna an’Andriatsitohaina Naina. Novelabelariny tamin’ny kabary nataony ireo «veliranon’Iarivo», ka anisan’ny misongadina amin’izany ny fanajana lalàna, fanorenena sekoly ambaratonga fototra, fanorenana trano fonenana (logements sociaux, 500 isa), fanorenana trano fivoahana (WC publics) tsy andoavam-bola, fampitomboana isa ireo paompim-pokonolona izay tsy andoavam-bola toy ny fahiny elabe, tsena misy rihana, ka ho fiantsonan’ny fiara ny ambany rihana,… Tena ho renivohitra tsy mena-mitahy amin’ny any ivelany tokoa Antananarivo raha ho tanteraka ao anatin’ny efatra taona ireo tetikasa ireo.

Ny azo lazaina aloha dia ny vola hanatanterahana azy ireo, angamba, efa vonona ao satria nanambara ny filohan’ny Repoblika fa tsy hiara-hiasa amin’izay ben’ny tanàna tsy ao anatin’ny antokony ka ho toy ny nataony tamin’ireo «governora» nomena vola 1 miliara ariary isanisany entina mampandroso ny Faritra. Azo antoka izany fa hahazo amin’ilay 200 miliara ariary tantanan’ny fiadidiana ny Repoblika ny ben’ny tanànan’ny Renivohitr’i Madagasikara. Mety efa nisy ihany koa maketin’ireo trano fonenana sy ny tombam-bidiny, torak’izany koa ireo fotodrafitrasa sasany.

Ny tsara ho marihana dia tsara dia tsara ny «velirano» ka izay mivadika, anefa hono, araka ny finoan’ny gasy dia ho kely ila. Raha ny fanajana ny lalàna no resahina dia izao Repoblika IV, andiany faharoa, izao no lohalaharana raha ny fanitsakitsahana lalàna, eny hatramin’ny Lalàmpanorenana aza, ka mba hiavaka amin’ireo manampahefana malaza amin’izany anie ity ben’ny tanàna ity. Hitombo isa ny sekoly ambaratonga fototra ary hisy «cantines» ao amin’izy ireo.

Ny azo lazaina dia ampahafirin’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly amin’izao fotoana izao no hanana fahafahana, ara-bola sy ara-pitaovana, ka ho tafiditra amin’ireny sekoly ireny. Ary ahoana ihany koa ny momba ny mpampianatra satria ireo Fram am-perinasa aza misy olana tsy voavaha hatramin’izao. Raha hanorina trano fonenana aman-jatony amin’izao dingana voalohany izao dia hamaha ny olan’ireo tsy manan-kialofana ve izany. Ny “trano vy” eny Anosibe aza tsy nitombo isa fa nijanona teo ny fampanantenana. Hiditra any amin’ny kitapom-bolan’iza ny hofan’ireo trano ireo? Araka ny fantatra dia olon-tsotra no mitantanana ireny trano fivoahana mijoro amin’izao fotoana izao ireny, araka izany dia tsy maintsy mandoa vola izay mampiasa satria andoavam-bola amin’ny Jirama ny rano lany sy ny jiro manazava. Mpiasan’ny kaominina izany no hitantana izay vao haorina? Mety hampihena ireo mpanao maloto eny rehetra eny ve ny fisian’izany fotodrafitrasa vaovao izany. Mahabe resaka sy tsy mbola ahitana vahaolana ny resaka famatsian-drano amin’izao fotoana izao. Mety tsy ho ampy angamba ny isan’ny paompy eto an-drenivohitra saingy ireo efa mijoro aza tsy ampy ny tosika (pression), ka miteraka filaharan’ny “daba mavo” am-polony metatra maro. Mety hihena ny filaharana satria hisy paompy maromaro eny anivon’ny fokontany iray fa tsy mbola hisy vahaolana ny momba ny tosika na dia nosoloina aza ny tale jeneralin’ny orinasa Jirama. Hibananaka izany ny fikorinan’ny rano kanefa tsy maintsy tsinjovina ny fikojakojana ireny paompy ireny, ka ahiana ho toy ny tany aloha tany no hitranga, ka izay simba dia tsy misy mpanamboatra. Eo koa ny toetsaina lomorina, ka rehefa maimaimpoana no ahazoana zavatra iray dia tsy misy ny fanajana ireny fotodrafitrasa tsy andoavam-bola ireny. Amin’ny ankapobeny dia toa metimety amin’ny mponina ihany ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny na dia mimenomenona aza ny olona sasany, ka heverina fa hiankina betsaka amin’izay toerana hanorenana izany tsena misy rihana izany no mety hamaha ny olana. Toy izany koa ny resaka fiantsonan’ny fiara satria raha lavitra ny toeram-piasan’ny manana fiara no hanorenana azy dia tsy hamaha ny olana ihany izany.

Ny vola, angamba, tsy ho olana satria tsara mpiantoka manana ny vonona ny ben’ny tanàna vaovao, fa hifanentana amin’ny filan’ny mponina tokoa ve ireo fotodrafitrasa vao haorina ireo? Ny ampitso no hanamarina na tsia izany..!