EDITO 16 Janoary – Tsy azo avela haniry ny faka ratsy eto amin’ny firenena

Sôh’son

Maro ny mpandinika no mihevitra, fa tsy hanam-pilaminana mihitsy ny fiainam-pirenena ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Ny antony tsotra, tamin’ny fomba feno tsy fahamarinana no niaingàny sy nanorenany ny fitondrany, ary ny zava-drehetra atao dia tsy mitsahatra ny mizotra mandrakriva amin’ny tsy marina. Porofo iaraha-mahita tsara ny zava-misy ankehitriny amin’ny tranga amin’ny fifidianana ben’ ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, sy voka-pifidianana iaraha-mahalala amin’izao fotoana izao, sy olona hapetraka eo amin’ny toerana.

Saina toy inona no hahazaka hiharitra aman-taonany fa ny olona hitantana ny tanàna dia voafidy tamin’ny fomba kimaizimaizina ary nankatoavin’ny mpitsara amin’ny lalàna amin’izay tiany hanaovana azy, izay mahatofoka tanteraka ny olom-pirenena maro eto amin’ny firenena. Mihevi-tena sy milamin-tsaina ve ireo olona niketrika sy namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika sy ireo namoaka ny ofisialy tamin’ny fifidianana natao teto, manoloana ny fizoran’ny fiainam- pirenena sy ny fiainam-bahoaka sy ny fifandraisan’ny mpiara-monina izay hita ho « marary » ? Mihevitra ve ny olona napetraka « amboletra » hitantana ny tanàna renivohitr’ity Nosy ity fa mety ny nataony hiakarana eo amin’ny toerana sy ny fikasana hametraka paipaik’ady politika mahavery saina ny vahoaka sy hampitrontrongy ny korisam-piainampirenena? Matoa dradradradraina izany tsy zakan’ny saina ny fanakonana sy ny fanapotehana mihitsy ny marina tsy hiseho eto amin’ity firenena ity…

Izao indray, miseho lany toy ny efa nisy hatramin’ izay, ny fikorontanan’ny fampianarana eto amin’ny firenena. Ain-dehibe ho amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa izany. Olana tsy tokony hipoitra anefa izany raha tena misy ny fananana traikefa sy ny fahaiza- mitantana ary ny fahendrena lalina. Ireo teboka telo ireo farafahakeliny no anisany banga eo amin’izao fitondrana misy izao, fa ny fiheveran-tena ho zavatra mihoatra noho ny hafa no rangory fototry ny afo mahatonga ny fikorontanana eto. Ary efa ambaran’ny maro fa avy amin’ny fitondrana ihany no ipoiran’ny olana samihafa eto amin’ny firenena. Tsy afaka handà izany, satria efa nisy ireo tranga nanaporofo izany, iray amin’izany ny raharaha Ambohitrimanjaka izay katsahina hanongotana ny soatoavina maha Malagasy, izay foto-piainan’ny mponina eny an-toerana.

Ireny toe-javatra ireny, ho an’ ny mpandinika sasany, dia vokatry ilay fototra tsy marina tany am-piandohana sy mbola ifikirana tohizana ankehitriny. Faka ratsy tsy azo ekena haniry eto amin’ny firenena ny tsy fahamarinana.