SATRIA MITSITSY NY MPITONDRA …

Sary nindramina

Satria mitsitsy ny mpitondra dia roahina ny mpiasa?
Ary na dia tonon-taona dia tsy afaka hanasa?
Nefa moa tsy toy izao no tsara raha miray lambanana,
Fa izay no soatoavina fanehoana fihavanana?

Satria mitsitsy ny mpitondra dia izy ihany no miletra,
Fa ireo vahoaka tsotra, aleo hijaly sy hanjoretra?
Enina alina mahery no voalaza ho fanomezana,
Lasa sivy arivo anefa ka nanjary nihomehezana !

Sa dia tena izay mihitsy ilay hoe “harona voaravaka”.
Hanehoana f’ianareo dia tena hoe “mpitondra miavaka”?
Ka dia hafa ny eo ivelany, kanto sady tsara voatra,
Saingy,indrisy, ny ao anatiny feno faika mitsamboatra?

Asa na ny mpanome na ny mpizara no namotaka,
Fa hatreto, tsy milamina, ary ahiana hisy rotaka.
Hisy ve ny “loha hihintsana” ary ahoana ny ho vokany,
Fa tsy mety foy ny atody sady ahiana ho lamokany!

… Satria mitsitsy ny mpitondra dia giazany ny saosy?
Ary be ireo mihamahantra sy manjary fisa-paosy?
Izany ve ilay fitsitsiana nodradraina tato ho ato?
Mandiniha fa vilam-bava ianareo mpitari-bato!

DADAN’i ZINA (14-01-20)