Ny marina momba ny lalampirenena RN44 sy RN5

Manao tatitra ny Pasitera Edouard Tsarahame, filoha lefitra faritany Toliara amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, tamin’ny fidinana ifotony hijery sy hanamarina ny zavamisy momba ny fanamboarana ny lalampirenena RN44, mampitohy any Moramanga sy Ambatondrazaka, mba tsy hilaza lainga, fa hilaza ny marina.

Ny vokatr’izany dia tsy araka ny zavatra nolazain’ny filohan’ny repoblika ny zavamisy sy iainan’ireo olona miasa eny sy mampiasa ny RN44.

Raha raisina amin’ny fomba fiteniny ny filohan’ny repoblika amin’ny hoe: marina sa tsy marina? Dia marina fa tsy misy asa nanomboka.

Natao nakotroka ny fametrahana ny vatofototra ny faha-15 oktobra 2019 ary narentirenty ny fitaovan’ny orinasa. Nodradradraina ny velirano ary nolazaina fa manomboka eo noho eo ny asa.

Misoratra mazava amin’ny takelaka momba ny asa fanamboran-dalana 40 km mampitohy any Marovoay (PK20) sy Amboasary (PK60) manomboka ny 10 oktobra 2019 ary maharitra 18 volana, izany hoe mifarana ny 10 aprily 2021.

Vatofototra foana no notokanana ny faha-15 oktobra 2019, ary naseho teo ny fitaovan’ireo orinasa. Lalana 140km no ho amboarina ary orinasa tsy miankina telo no manao azy, CGC, SOGEA, COLAS. Mizara telo ny lalana, ka ny CGC no tokony nanao ity ampahany PK20-PK60.

Eo Betsipolotra, misy mpiasa maro saingy tsy lalana no ampanamboarina azy fa trano. Tsy fantatra akory ambonin’izany ny antony hanamboarana tranobe velarana. Karama ambany, mpiasa avy lavitra, ampiasaina 12 ora, 7500ar isanandro, tsy iantohana sakafo na trano.

Ny alatsinainy 6 janoary 2020 teo dia nisy appel d’offres vaovao vao nivoaka. Ny eo tsy vita. Hitaky fanazavàna ny RMDM.

Ho arahan’ny mpanohitra RMDM amin’ny antsipiriany ny fitantanana rehetra ataon’ity fitondrana ity, fanoherana ao anaty lalampanorenana, ary hilaza ny marina.

Eo koa ny lalampirenena RN5 Toamasina-Fenoarivo-Atsinanana

Marina fa nisy asa nanomboka. Marina fa nisy fotoana nilazàna fa vita. Fa rehefa jerena akaiky, 4,195km amin’ny 100km no vita natao béton tapatapaka manomboka eo Ivoloina mandra-pahatonga eo Ambodiatafana. Avy eo no miala mandra-pahatonga any Fenoarivo, izany no atao hoe “Merci, prezidà”.

Araka ny hita dia tsy misy fanamboarana ny lalana mandra-pahatonga any Fenoarivo-Atsinanana. Manjaka ny fanararaotana ataon’olombitsy manoloana ny vidin’ny vokatra fanondrana ao amin’ity faritra ity noho ny haratsian’ny lalana.

Lalana hadiny iray sasany taloha lasa hadiny dimy, mitombo ny solika lany, ny harerahana mitombo, ny vola lany amin’ny fanamboarana fiara.

Lainga sy fitaka daholo no avoakan’ity filoha ity arak’izany.

Ka hanaraka ny fanamboarana ny Rova koa ny RMDM, hijery ny ao anatiny. Satria lazaina fa ho tokanana alohan’ny 26 jiona.
Teo koa ny filazàna fa hahazo lamasinina Fianarantsoa alohan’ny faran’ny taona. Tapitra ny taona 2019, tsy nisy lamasinina tazana.