Madagasikara – 2002-2009 – Nandritra ny fito taona nitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana

  1. Tafakatra maherin’ny 1.4 miliara dolara ny tahirim-bolan’ny fanjakana Malagasy tao amin’ny Banky Foibe raha 200 tapitrisa tamin’ny taona 2003
  2. Tafakatra 7.1% ny fisondrotry ny harikarena faobe teto tamin’ny taona 2008 raha manodidina ny 6% izany manerana an’i Afrika. Efa teo an-dalam-pivoahana tamin’ireo Firenena mahantra indrindra i Madagasikara
  3. Nijanona ho 9.4% ny sondro-bidim-piainana raha 12% izany manerana an’i Afrika
  4. Nahatratra 9000km ny lalana vita manerana an’i Madagasikara
  5. Nahazo fanampiana ara-pitaovana ny mpianatra Malagasy
  6. Nanamora ny famoronan’asa ny fiaraha-miasa t@ firenen-dehibe toa Etats-Unis, Canada, Allemagne,…
  7. Nampidirina ary nohamafisina ho isan’ireo fiteny fampiasa ofisialy ny fiteny Anglisy
  8. Teo amin’ny sehatry ny kolikoly, araka ny tarehimarika navoakan’ny « Transparency International » dia tamin’ny fitondrana Ravalomanana no ambany indrindra ny tahan’ny fanaovana kolikoly teto Madagasikara.
  9. Ny taona 2009 dia nanana vina hanangana banky Malagasy ny fitondrana Ravalomanana. Sehatra izay mbola voagejan’ireo vahiny (frantsay) mandraka ankehitriny.
  10. « Tsy mbola nandroso toy izao i Madagasikara teo @ tantarany » hoy ny Banque Mondiale
  11. Ny taona 2008 dia
  12. efa nidina ho 68% ny Taux de pauvreté raha 80% tamin’ny taona 2002
  13. Taux de Croissance nahatratra 7%
  14. AGOA nitondra asa betsaka ho an’ny Malagasy
  15. Ady tamin’ny kolikoly : BIANCO sy SAMIFIN
  16. Ministra tena niasa fa tsy nanao be kibo tao amin’ny birao fotsiny : nisy ny objectifs napetrany, nisy ny compte-rendu ny vokatra isaky ny ministera
  17. Education pour tous : betsaka ny zanaka Malagasy no niditra nianatra, nahazo kits scolaires, boky, aron’akanjo sns ; Ady tamin’ny risoriso resaka diplaoma, izay mpianatra tena mahay no mahazo bourses d’études mandranto fianarana aty ivelany
  18. Fandriam-pahalemana nanjaka
  19. Fampiroboroboana ny tantsaha
    Ny taona 2009 dia efa tokony niditra t@ izany hoe sécurité alimentaire izany ny Malagasy, ary saika hitokana banky malagasy ny fitondrana Ravalomanana hahafahan’ny Malagasy hindram-bola hamoronany orinasa sns…

Indrisy fa potiky ny mpanongam-panjakana daholo ny zava-bitany ary dia lasa nanefoefo be daholo ny mpanongana rehetra afatsy ny vahoaka Malagasy.