Edouard Tsarahame – RMDM – Hafatra

Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana, tsy ho avelanay ho tompontrano mihono ianareo amin’ny fitantanana ny firenena, fa hanolotra ny herinay izahay.

Araka ny tenin’ny filohan’ny RMDM, ny androko sisa rehetra, hoy izy, dia ho entoko manompo ny miray tanindrazana amiko. Zava-dehibe ho antsika izany fanetrentena izany .

Ka izahay rehetra dia miombon-kevitra fa hanolotra izay mety azonay atolotra ho fanatsaràna ny fiainan’ny vahoaka malagasy, ho famonjena an’ity firenena ity amin’izao fitantana izay tsy araka ny eritreretintsika.

Minoa ahy ianareo fa tsy hitsanga-menatra isika manana an’ity RMDM ity.

Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy.