MAFY LOATRA VE NY TSINDRY ?

Mafy loatra ve ny tsindry ry mpitsara,
Sa ahoana fa mba tianay hofantarina?
Tena diso ve ‘zahay raha manambara
Fa iniana toa takonana ny marina?

Mafy loatra ve ny tsindry ry mpitsara,
Ka tsy anananao ny fahaleovantena?
Sa matahotra ny hoe ho very anjara,
Raha manohitra ny baiko izay nomena?

Mafy loatra ve ny tsindry ry mpitsara,
Ka voatery ianao manao ny tsy fanao?
Dia ho aiza izato Madagasikara?
Hanahoana re ny ampitso raha izao?

… Satria hidify, tsy ho tazana eto intsony
Izany marina natao ho tarigetra,
Raha ianao miteronterona eny ambony,
No mpanohana ny lo sy ny voretra!

SEDERA RAVALISON (09-01-20)