TAFAPETRAKA IHANY ILAY PYLONE IZAY EFA NOTOHERIN’NY MPONINA AO BEMASOANDRO ITAOSY

Tafapetraka mangingina tamin’ny tapaky ny desambra teo ihany ilay pylone izay niteraka fanoherana sy fihetseham-bahoaka imbetsaka tao Bemasoandro Itaosy.

Toy izao raha tsiahivina ny tantara: Ny 28 jolay 2018 dia nanao fihetsehana ho fanoherana ny fametrahana ity pylone ity ny mponina teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ary notronin”ny mpanao gazety. Ny hetsika faharoa dia ny fihaonan’ny societe Tower co Madagascar sy ny solontenan’ny mponina, ary natao tao amin’ny kaominina Bemasoandro saingy tsy nahitam-bokany mazava. Ny hetsika fahatelo dia ny fanoherana ankalamanjana nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teo anoloan’ilay trano nananganana ity pylone ity ary notronin’ny mpanao gazety ny oktobra 2019. Noho ity hetsika fahatelo ity dia tapa-kevitra ihany ilay orinasa voalaza eo ambony fa hampijanona ny asa, saingy nanao farateny fa hampiakatra ny raharaha amin’ny ambonimbony kokoa, hono, ary namoaka vava fa hoe “manasa tanana“ ny amin’izay ho tohin’ny raharaha.

Raha tsiahivina dia eo afovoan-tananàn’i Bemasoandro no najoro ity pylone ity ary sekoly telo izay tsy lavitra, satria tsy misy mihoatry ny 100 m no manakaiky azy: sekoly tsy miankina iray, sekoly katolika iray, sekoly advantista iray, hanamafisana ny loza mety hateraky ny radiation na taratra alefan’io fitaovana io amin’ny mpianatra. Gaga sy zendana anefa ny rehetra fa ny tapaky ny volana desambra teo dia polisy sy zandary miaraka amin’ny fitaovam-piadiana no niambina ilay trano isan’andro nandritry ny fotoana nanohizana ny fametahana ilay pylone. Tsy nitohy intsony ny dinika nifanaovan’ny mponina sy ny tompon’ilay orinasa ary ny tao amin’ny kaominina Bemasoandro na izay manampahefana hafa fa tonga dia ny fametrahana amboletra ilay pylone no natao.

Marihina tsara fa tapabolana eo ho eo taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra no niseho izao zavatra izao, ankatoky ny fiatrehana ny krismasy ny rehetra ary eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Teo indrindra no nametrahana amboletra ilay pylone izay efa nolavin’ny mponina imbetsaka. Hita ho tsy afa-nihetsika ny vahoaka satria variana tamin’ny fety sy ny fiandrasana ny voka-pifidianana. Ny ben’ny tanàna teo aloha koa efa volombolon’ny tsy ho lany ka dia tsy re intsony na koa efa dian’ny hiala ka tsy niraharaha intsony ny zava-nitranga. Ireo kandida ben’ny tanàna efa ho ampolony be vava tamin’ny propagandy fa hijery mandrakariva ny tombontsoam-bahoaka ihany koa dia nangina toy ny sifotra nalan-doha, asa, efa tsy nahazo seza angamba dia nipetraka. Ny kandida volombolon’ny ho lany, araka ny vokatra tsy ofisialy koa dia tsy nahitan-teny na kely aza, asa raha efa voatamby tany ambadika tany na ahoana. Ny mpitondra fivavahana izay namory ny vahoaka tamin’ny fotoana nampivaivay ny fanoherana koa dia toa tsy re intsony. Araka izany dia nanararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpametaka ny pylone. Mihevitra koa ny maro fa rehefa atrehin’ny polisy na arovan’ny zandary ny asa dia ny mpitondra fanjakana any ambony mihitsy no efa manaiky ny fametrahana ny pylone toy izao.

Ny feo re tany ambadimbadika tany no nahenoana fa hoe anisan’ny “promesse presidentielle” na fampanantenan’ny filoha, hono, izao fametrahana itony pylone itony izao ka asa izay fahamarinan’izany. Fa ny fanontaniana dia hoe mponina iza ary mponina sy tokantrano miisa firy eto Bemasoandro na Itaosy manontolo no higoka tombontsoa amin’ny fijoroan’ity pylone ity? Ary raha misy ny aretina sy loza ateraky ny taratra na radiation amin’ity pylone afovoan-tanàna ity , (satria manam-pahaizana marobe eran-tany no efa nanaporofo izany ) dia hitsabo sy hiandraikitra ireo mpianatra manodidina na ny mponina voakasik’izany ve io orinasa io , ary misy ve ny fanekena an-tsoratra mirakitra izany?

Farany, mety ho amboletra toy izao daholo ve no hanohizan’ny fitondrana ankehitriny ireo tetikasan’ny filoha izay efa toherin’ny mponina miharihary, toy ny tetikasa tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka ka rebirebena amin’ny fetifety sy fifidianana ny vahoaka , ka rehefa tavela any ny sainy dia atao amboletra haingana ny fanatanterahana ilay tetikasa? Dia aiza ho aiza amin’izany ny fanajana ny safidim-bahoaka, sa dia resaka manidina fotsiny ihany satria manao lohan’angidina ny mpitondra?

NY VALOSOA