Sabotsy 28 Desambra – Anosy – Porofo hosoka halabato – Rina Randriamasinoro

Tafiditra soa aman-tsara tao amin’ny Tribunal administratif ny kandidà Rina Randriamasinoro nanatitra an-tanana ireo porofo mikasika ny hosoka tamin’ny halabato. Olona dimy no navela hiditra ary ny mpanotrona dia niandry eny ivelany niaraka tamin’ny mpanao gazety.

Milamina ny eny an-toerana na dia feno mpitandro filaminana mirango basy sy fiara raitra fampisehoan-kery.

Nisy ny valandresaka fohifohy tamin’ny mpanao gazety, ary tao anaty izany ny fanamarihana fa tsy maintsy karohina ny marina momba ny hosoka tamin’ny fifidianana. Tsy mijanona ny tolona sy ny hetsika fitakiana raha tsy mivoaka izay marina izay, hoy i Rina Randriamasinoro

Vaovao MBS
Sary Arp Helisoa