EDITO 28 Desambra – Raharahampirenena – Mbola maizina ny tabilao ho an’ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Hivalona sahady ity ny taona 2019, ary efa ho herintaona sahady no nitantana ny firenena ny mpitondra TGV, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina, filoha nanongam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tao anatin’izany, nanantena fiovàna mahery vaika teo amin’ny fiainana mba hoe ho tsaratsara kokoa Ramalagasy, raha nahare ny fampanantenana nipopoka tamin’ilay programa IEM, kanjo toa ny mifanohitra amin’izany no hita satria lasa tafiditra ao anaty lavaka mangitsogitsoka ankehitriny ny fiainan’ny Malagasy. Ny tsy fandriampahalemana mampiteny ny moana manomboka aty an-tanàndehibe, ka hatrany ambanivohitra rehetra any, izay tsy mbola ahitàna vahaolana matotra mihintsy hatramin’izao. Ny fitaovana raitra dia raitra narentirenty tamin’ny vahoaka Malagasy teny Mahamasina sy Ivato tsy hay intsony izay niafaràny. Ny sosialimbahoaka moa dia efa tsy tenenina intsony, fa tena mampiteny ny moana, miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny tokantrano Malagasy, eo ny fampianarana, ny fitsaboana, fiakaran’ny vidim-piainana, delestazy lavareny, ny tsy fisiandrano sns….

Ny manao zavatra tsy mora hoy ny fiteny izay, nefa kosa tsy ny Malagasy anie no nampanantena volana ho azy ireo fa ny filoha Rajoelina ihany e! sady izy efa nanao velirano fa hoe tsy hamitaka ny vahoaka mihintsy, fa izay nolazainy hono tsy maintsy tanterahiny. Ny mifanohitra amin’izany anefa no hita ankehitriny satria ny zavatra nambara tamin’ny propagandy nakana ny fon’ny olona havadika rehefa tonga eo amin’ny toerana toy ny resaka tetik’asa Ambohitrimanjaka.

Raha akapoka dia mbola maizina tanteraka ny fiainan’ny Malagasy hatreto, fampifalifaliana ivelany aloha izao no mbola iainana. Fa na izany aza no zavamisy dia mirary taombaovao finaritra sy ho taompandresena 2020 ho antsika rehetra ny gazety Ny valosoa vaovao