Sabotsy 28 Desambra – Anosy – 10 ora maraina – Fanaterana porofo eny Anosy – Rina Randriamasinoro

Rina Randriamasinoro

Araka ny fihaonana farany izay natao teo amin’ny Magro dia nifanome toky isika fa ny fitakiana ny fahamarinana dia tsy hijanona eo ami’ny Magro foana akory. Efa toky nomeko izay, ary raisiko adidy masina ny fijoroana hitaky an’izay fahamarinana izay hatramin’ny farany mahakasika ny fifidianana ben’ny tanàna.

Nisy ny fikasàna hanatitra ny porofo izay voaangona farany amin’ny sabotsy izao ho aterina eny amin’ny Tribunal administratif, izay hiala teo Mahamasina. Natao ny fangatahana teny amin’ny prefektiora ary tsy nahazo alalana.

Manoloana an’izay dia tsy misy afaka handrara antsika hanatitra izay porofo izay. Tsy ho ataontsika ny filaharana avy eny Mahamasina fa ho aterina avy hatrany eny amin’ny Tribunal administratif ny porofo alohan’ny amin’ny folo ora. Zontsika no manao izany.

Manentana antsika izay mandala ny fahamarinana, te-hahita izany fahamarinana izany hipoitra, ho avy hifanotrona amin’izay fanaterana porofo izay. Ho ataontsika am-pilaminana ary sahy hijoro.