Fanirisoa Ernaivo – O ry Malagasy o, fa ahoana no anekentsika foana izao fandikana Lalampanorenana isan’andro isan’andro izao?

Fanirisoa Ernaivo

Io fa milaza indray ry HCC fa dia aradalana tanteraka ny voalazan’ny LFI 2020, amin’ny fanenana ny volan’ny Senat ho ana senateur 18 isa? Ary ny fanaovana referendum amin’ny taona ho avy iny? Ary ny vola natokana ho fonds spéciaux 200 millions de dollars (izay mahagaga fa mitovy amin’ny vola lanin’ny MAPAR nampandaniana ny tenany tamin’ny halabato sy fividianana safidimbahoaka 2018 teo) zany hoe sahin’ireto mpitondra ireto ny mampiasa tsotra izao ny volambahoaka hamerenana ny fonds de campagne-ny?? Dia mangina ry HCC fa mety hono zany sady araka ny Lalampanorenana!

Ahena ny mandat ny SENATEURS dia mety izany hoy ny HCC! Tsy raisina ny volavolandalana nasiampanitsiana nentin’ny Senat na dia tonga alohan’ny ora hikatonan’ny session parlementaire aza izany. Hitantsika rehetra teo fa efa fanjakan ny jomaka no misy dia atao fomban’ny jomaka koa ny eny amin antenimiera ambony! Dia mbola hoy ny HCC hoe mety izany araka ny Lalampanorenana? Io anefa dia milaza mazava ny lalàna, fa alohan’ny hikatonan’ny Session no anaterana ny volavolandalana avy any amin Senat ary nateriny alohan ny fikatonana izany, dia tsy noraisina!

Fa inona ao anatin’io LFI io no tena atahorana sao tsy ho tanteraka?
– fanovàna Constitution amin’ny taona ho avy ka hanafoanana ny Senat sy ny Chef de région ka hovàna governora? sa mety koa hoe mbola ampitomboina ny fahefan’ny filoha fa tsy ampy tsara?
– fandaniambola mihaopampana eo anivon’ny présidence ka tsy tahotra tsy menatra manoloana ny fahantran’ny vahoaka malagasy dia mametraka fonds speciaux mahatratra 200 millions de dollars?
– misy maro koa ao fa ireo no tena misongadina ankoatra ny fampiakaran ny hetra sy habantseranana mikasika PPN?

Fa tsy ny LFI ihany fa mbola averina ihany ny lalampifidianana nohitsakitsahina teo? Efa nalefa ny fitoriana fa miandry isika inona no avoakan ny Fitsarana, fa dia tena efa mampiteny ny maona ny tsy firaharahiana ny maha-tandalàna ny firenena ary tena manao izay tiany ny mpitondra!

Olona efa lazaina fa incompétent no averina ho DG ny Jirama? Tsy ampy olona sa tratran’ny chantage? sa lasa compétent ho azy indray rehefa tsy ministre? Journaliste mpanao plagiat , zany hoe mpanao triche, mpangalatahaka, mpamitaka no atao membre ny CA ny Air Mad efa misy olana be io, sa te ahazo billet gratuit andehanana mivezivezy 1ere classe aux frais de la princesse fotsiny? Ny DG ny trésor tsy mety mamoaka vola tsy aradalàna noesorina fa tsy ahafahana miara-miasa…

Sombiny ihany ireo fa amin’ny fotoana manaraka ho azavaintsika inona avy ny tokony ho voalazan’ny lalàna mikasika an’ireo ! Aoka isika tsy ho mandrimandry manana aretina fa na fety aza ny andro dia mandady ny trambo ary TSY AZO EKENA INTSONY NY FANDIKANDALANA eto Madagasikara!!!!