EDITO 21 Desambra – Madagasikara : misy mitady hitondra any amin’ny lalan-diso

Sôh’son

Tsy mahataitra ny mpanara-baovao ny fihetsiky ny fitondrana ho amin’ny fikendrena zavatra hafahafa eto amin’ny firenena miditra amin’izao volon’andro fety izao. Ho an’ny marivo salosana dia mora jamba sy voafitak’ireny rentirentin-javatra samihafa manoloana ny lapan’Ambohitsorohitra sy Antaninarenina ireny. Mazava loatra fa misy tiana hahatongavana ao anatin’izany kanefa tsy mandeha amin’ny lojikan-javatra. Ny zava-misy mifanohitra, etsy andaniny misy vahoaka rotehin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana lalina amin’ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina, misy vahoaka mitaraina sy miady fo mafy mba tsy hototofana ny tanindrazany izay tena iankinan’ny fiainany manontolo sy ny maha izy azy ny firenena mihitsy, sns. Etsy andaniny anefa ny fitondrana maneho fihetsika hanehoana famirapiratana handaniam-bola tsy hita pesimpesenina, izay toa miendrika kisary fanakonana ny zava-misy marina eto amin’ity firenena ity. Hanakonana ny fahantrana misy eto amin’ny firenena kanefa ihany koa hanodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin-javatra mampahory azy andro aman’alina.

Nisarika ny sain’ny mpandinika ny fihikan’ny mpitondra ny fiangonan-dehibe amin’ny fanoherana marindrano tsy misy adihevitra ny amin’ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy. Tsy mandehandeha ho azy izany matoa mihamiverimberina sy miha atao antso mafy eto amin’ity firenena ity. Ho an’ny maharaka ny fandehan’ny raharaha eto amin’ny firenena dia efa areti-mandoza avy any ivelany any irifana halentika eto izany sy hamahatra eo anivom-piarahamonina malagasy. Mazava loatra fa tena mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina malagasy izany, ka izay mihevitra izany dia tena fositra sy fanetriben’ity firenena ity mihitsy. Araka izany mila mandinika lalina ny vahoaka ny amin’ny fikasana toy izany hitondrana ny firenena.