Sabotsy 21 Desambra – Magro Behoririka – Feo – Christian Tabera, Edouard Tsarahame, Rina Randriamasinoro, Fidèle Razara Pierre, Hanitra Razafimanantsoa

Christian Tabera – MCFIE
Mila miomana isika ivoahana hitaky ny fahamarinana. Avoahy ny marina momba ny fifidianana.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/christian-tabera.m4a)

Pasitera Edouard Tsarahame – RMDM
Misy mifofo ny ain’i Fidèle Razara Pierre.
Raha misy olona 50 ao Madagasikara manana ny rariny sy manao ny marina, tsy ho rava i Madagasikara.
Raha mbola misy olona ao Madagasikara mbola mijoro miady ho an’ny fahamarinana dia tsy ho rava i Madagasikara
Raha mbola misy olona ao Madagasikara mbola mitaky ny fahamarina dia tsy ho rava i Madagasikara.
Izahay no azo horohoroanareo, izahay no azo fofoina ny ainay, izahay mety azonareo samborina fa ilay Andriamanitra mahery lavitra noho izao tontolo izao hamaly anareo amin’ny ratsy ataonareo.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/pasitera-edouard-tsarahame.m4a)

Solontena avy amin’i Mahajanga
Tamin’ny 1 desambra teo dia namaoka vokatra vonjimaika ny SRMV, izany hoe ny CENI Distrika Vangaindrano. Raha namoaka vokatra izy dia ni-affiché, signé, mitarika ny kandidà TIM 1024 voix, 23%. Fa afaka roa andro, 3 desambra, gaga izahay fa namoaka vokatra, io SRMV, CENI io ihany, signé, affiché, nihena 1009 voix ny TIM. Lasa 3ème place ny TIM tanaty roa andro.
Ianareo manam-pahefa, raha ny tena marina, tsy manam-pahefana ianareo fa nampindramina fahefana. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Raha mbola izao no mitohy dia ho raisinay vahoaka ny fahefana nampindramina anareo.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/solontena-mahajanga-cenivangaindrano.m4a)

Rina Randriamasinoro
Nokitihina ny lisi-pifidianana. Araka ny lalàna dia tsy azo kitihina io. Ka zavatra tsotra no ilaina, izay tena fahamarinana no avoaka.
Misy milaza fa tsy nokitihina io. Izahay milaza fa nokitihina io, ary izahay tsy hanaiky hatramin’ny farany.
Alohan’ny andefasana miaramila hisambotra an-dRakoto na Rabe dia alefaso aloha ny miaramila, tereo hibaiko ny andrim-panjakana rehetra hamoaka ny marina.
Izaho manome toky anareo fa tsy maintsy hihaona isika amin’ny heriny androany, fa tsy eto amin’ity toerana ity.
Izahay tsy mieritreritra hanongam-panjakana fa mitaky ny fahamarinana.
Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/rina-randriamasinoro.m4a)

Fidèle Razara Pierre
“Misy mifofo ny ain’i Fidèle Razara Pierre”, gazety no niteny an’izany. Fa isika olona kirstianina, olona mivavaka, dia entintsika am-pinoana daholo ny zavatra rehetra, ary tsy misy tsy maty amin’ny androny izany.
Ianareo fiangonana no hamerina ny zana-piangonana amin’ny feon’ny fieritreretany.
“Toute acte de pénétration sexuelle de quelque nature qu’il soit, commis sur le conjoint ou sur la personne engagée dans une union par violence, par contrainte, par menace est une infraction”.
Dictionnaire – Conjointe: forme féminine du mot Conjoint, le terme Conjointe désigne la femme.
Noho izany, ‘le conjoint’,… Tsisy infraction izany rehefa mifanaraka izy ireo. Tsy voararan’ny lalàna. Ity raharaha ity izany dia mamela anao hanao acte sexuelle contre-nature, de quelque nature qu’il soit, amin’ny Conjoint rehefa tsisy menace, tsisy contrainte, tsisy viol.
Noheritreretina handeha par site ao amin’ny antenimierampirenena izy io. Dia hoe tsy hisy olona hiteny mihitsy fa varimbariana amin’ny fahantrana, ny fety, ny lalanan’ny tetibola dia tsy hisy hanao fanamarihana ity raharaha ity. Ilay lalàna efa notenenina anay alakamisy fa misy financement be io raha lany. Ny alakamisy dia tsy nifidy ny solombavambahoaka. Zoma vao nolanian’ny maro an’isa.
Ny zava-misy izany dia izao. Ny fitenenanntsika an’io lalàna io izany dia manapaka fihinanana. Satria tsy ho vita hatramin’ny farany ny mission ahazoana ilay vola be. Kanjo notabatabaintsika ilay izy, dia niteraka hatezerana, fahasosorana faran’izay henjana ary izay no mahatonga ny gazety manoratsoratra satria manelingelina ilay zalahy ity.
Raha te-hanapoitra ny tena marina isika dia aleo alefa vidéo eo Mahamasina dia ho hita eo izay nanangan-tanana. Fa rehefa tenenenina an’izay ireo dia tsisy sahy.
Manentana ny fiangonana hanao ny toy ny nataon’ny fiangonana FJKM, hamaky tsara, dia mandray fanapahan-kevitra manao antso amin’ny kristianina. Raha ohatra ka miahiahy izy amin’ny famakiana, azo atao tsara ny miantso mpisolo vava mpahay lalàna mandika ilay izy.
Izaho dia miteny aminareo fa raha io no mihatra amintsika eto dia tsy hiako intsony. Amin’izay angamba vao hoe tahaka izay ihany nanampy. Samia mitrotro am-bavaka ny firenena mba tsy ho tafiditra amin’io.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/fidele-razara-pierre-upd.m4a)

Hanitra Razafimanantsoa
Fitadiavana fahamarinana no atongavantsika eto.
Efa niteny isika, indray mandeha voanareo, nangina, nipetraka, voa fanindroany mbola nipetraka. Fa amin’ity indray mitoraka ity kosa e e e.
Zavatra tsotra no angatahintsika: confrontation. Ary rehefa tsy mety ny lisi-pifidianana dia tsy mety ny voka-pifidianana.
Tao amin’ny boriboritany faha-II dia nokaramaina olona 300 hifidy. Ary rehefa tonga hitaky ny vola izy ireo dia voadàka am-bavafo.
Matoa tonga eto Magro isika rehetra, niala tany Belera dia manketo, amin’ny heriny androany isika amin-toeran-kafa dia misy raha izay.
Ianao, izaho, isika rehetra no tompon’andraikitra amin’ny hoavintsika. Misy ny manenina any nanome vato any amin’ny tsy tokony omena, misy ny manenina any tsy nandeha nifidy. Ianareo manenina tonga hiaraka aminay. Andao atambatra ny hery.

(http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2019/12/hanitra-razafimanantsoa.m4a)