Andry Rajoelina “Tsy hahaongana ahy izany ianareo !”

(Toky R. – Gazety Tia Tanindrazana)

Somary nanaitra ny resaka nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro lasa teo nandritra ny fanolorana ireo kamio hampiasain’ny SAMVA, izay misy resaka mandeha amin’izao fotoana izao fa kamio niaraka an’ireo nomena ny BNGRC tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ireo.

“Izaho miezaka misintona ny firenena mba hiakatra fa misy olona vitsivitsy sasany mamatotra misakana mamingana ary mitetika ny handavo mihitsy fa izaho aloha tsy lavony fa izaho karateka. Izaho tsy lavony fa ny vahoaka maro an’isa nifidy ahy no jereko fa tsy olom-bitsy mitsikera”, hoy i Andry Rajoelina.

Miakatra ny maripana politika amin’izao fotoana izao, kanefa toa miendrika fihantsiana ady no ataon’ny filoha sy ny ekipany. Etsy an-daniny anefa dia tena niha mangatsiaka ny fanohanan’ny olona ny filoha ankehitriny. Ny tena famahana ny olam-bahoaka tsy mandeha amin’izay laoniny eto ary vao mainka mipetraka ny ahiahy.

Na ara-politika na ara-tsosialy na ara-toekarena,… dia tena tsy milamina. Io lasa gidragidra sy tsy mampifankahazo ny samy andrim-panjakana dia ny antenimierandoholona sy ny mpanatanteraka tarihin’ny filoha io ny adihevitra nateraky ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.

Ny resaka famahana ny olan’ny Jiro sy Rano tsy misy fa nesorin’ny fanjakana aza ny tohana ara-bola, izay mety hiafara amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy (verité de prix) izany hoe hiakatra, raha ny fahitan’ny depiote TIM Fidèle Razapiera azy.

Ny haban-tseranana alaina amin’ny mpandraharaha mpanafatra fiara anefa nohalefahana ka rehefa mahalafo vao haloa. Toa misy ekipan’ny filoha misehatra amin’io. Ny hetra alaina amin’ny gazy izay ny vitsy an’isa no mampiasa azy nofoanana.

Ny hetra amin’ny katsaka, taorito, varimbazaha izay mety hahakasika ny sarambabem-bahoaka nokasaina hakarina,…

Hahafaly ny maro an’isa ve izany ary tena fampandrosoana ny firenena? Hafahafa ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitry ny filoha, ary diso mahatoky tena amin’ny fahefany, ny volany, mety ny basy aman-tafondro ihany koa satria jeneraly maro no vao nasondrotra galona,… kanefa mila mitandrina sy mihaino ny hafa ihany.