Ambohitrimanjaka – Tanamasoandro – Vitsy an’isa no mivarotra tany – 301/972 ny fifanekena fifampivarotana tany hatreto

(Toky R. – Gazety Tia Tanindrazana)

40 andro izay no nisokafan’ny birao manokana handraisana ny olona voakasiky ny tetik’asa Tanamasoandro. Tompo-tany miisa 1351 no efa nanantona ny birao. 972 amin’ireo no voakasiky ny tetik’asa.

40 andro izay no nisokatra ho an’ny rehetra voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro ny birao manokana handraisana an-tanàna ireo tompon-tany sy tompon-trano, natao hanamarinana na tafiditra ao anatin’ny tetikasa na tsia, sy ny dingana mifandraika amin’izany; hamaritana ny tany na ny trano amin’ny plan parcellaire; hanaovana sonia fifanekena fifampivarotana ho an’ireo tompon-tany vonona hiroso amin’izany; hanolorana sy hanazavana ireo tan-tsoroka atolotry ny Fanjakana amin’ny alalan’ireo Ministera isan-tsokajiny izay hanaovana laharam-pahamehana ireo olona voakasiky ny tetikasa ireo, ambonin’ny fanonerana izay homena azy ireo.

Hitohy hisokatra ho an’ny dingana manaraka rehetra ity birao manokana ity ka amin’ny fanonerana ara-bola dia hisy ny fanamorana ny fikarakarana ny taratasy ara-panjakana rehetra ilaina ary indrindra ny fandoavana ny vola mandritry ny fotoana hoferana manokana ho amin’izany.

Tompon-tany 1351 no nanantona, 972 no voakasiky ny tetikasa, 157 no voakasiky ny dingana voalohany, 815 tafiditra amin’ny dingana manaraka, 301 ny fifanekena fifampivarontana (promesse de vente), araka ny tatitra ofisialy voaray.