Hetsi-bahoaka – Sabotsy 14 Desambra 10 ora maraina – Magro Behoririka – Sahia mijoro ho an’ny zo sy ny fahamarinana

Magro Behoririka – Fitakiana ny fahamarinana ny sabotsy izao

Ny Valosoa

Tapakevitra ny vahoaka leon’ny hosoka sy halabato fa hijoro hitaky ny fahamarinana , ka ny Kianjan’i Magro Behoririka, Kianjan’ny Finoana no ho Ambohipihaonana amin’ny Sabotsy 14 desambra ho avy izao. Hiara-hirodorodo hanambatra ny hery ny rehetra leon’ny hosoka sy ny halabato.

Hetsi-bahoaka izay tarihan’ny Kandida Riana Randriamasinoro sy ny Solombavambahoaka Tim ary ireo antoko politika sy fikambanana mahatsapa, fa tsy izy intsony ny zavamisy iainana ankehitriny.

Aoka tsy ho hadinoina fa io kianja io no nampisehoan’ny Zanak’i Dada ny fahamatorany sy ny fahavononany , tao no nitolomana nitakiana ny fodian’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana dia tratra ny tanjona, fa tafody soa amantsara i Dada ny 13 oktobra 2014, mbola tao amin’io kianja io ihany koa no nanombohana sy namaranana ny fotoampivavahana tamin’ny fampielezankevitra fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny taona 2015, ka nandresen’i Neny Lalao Ravalomanana, saingy taty aoriana dia toa zary hadino ny fanaovana hetsika tao, fa ankehitriny kosa ho tonga amim-pinoana isika amin’ny Sabotsy hoavy izao, fanombohana io ary manantena fahombiazana sy fandresena isika satria ny mino tsy maintsy mandresy, sady fotoanan’ny fanantenana ny mialoha ny Krismasy toy izao.