QG Belera – 8/12/2019 – Rina Randriamasinoro – Fahamarinana omena

Isika mijoro fotsiny dia fitakiana fahamarinana. Aleo atambatra ny hery.

Misy ny fotoana andeferana, fa misy kosa ny fotoana tsy maintsy hitsanganana. Fahamarinana no angatahanay, dia fahamarinana omena.

Rehefa diso dia sahia miteny hoe diso. Zavatra tsotra no takiana, dia ny fahamarinana. Ary ao anaty io lisi-pifidianana io no ahitantsika an’izay. Aza lany andro mifamaly amin’ny télé fa avoahy fotsiny ny marina.

Ary rehefa tsy nanara-dalàna ianao dia tsy maintsy sazìna araka izay tsy nety. Fahamarinana no avoahy, ary tsarao araka ny lalàna izay tokony hitsaràna azy izay nanao ny tsy mety.

Ny anentanako antisika mponina Antananarivo Renivohitra dia ny hijoro, ny hijoro ho an’ny taranakao. Miankina amin’izao ny ho avin’ny firenena. Izy ity tsy raharahan’ny antoko TIM ka ampio izahay hitady ny fahamarina.

Efa nilaza aho fa raha izaho no anaovana zavatra hafahafa, izaho tsy hanaiky hatramin’ny farany.

Homba antsika Andriamanitra.