CENI – Namela zaza 10-14 taona aman-jatony nifidy

🔴 Solombavambahoaka Marie Goulamaly (Tôlanaro) : #CENI – HOSOKA sy HALA-BATO : NOMENA KARAPANONDRO NY ZAZA ANJATONY MARO 10 TAONA H@ 14 TAONA ARY NASAINA NIFIDY.

👉 Betsaka ianareo vahoaka no miantso ny tenako, nefa tsy ary ho voavaliko avokoa, aminy mahakasika ny fifidianana izay vao natrehintsika teo.

Ny zavatra tsapa tokoa, dia toy ny fifidianana rehetra niseho, misy ny lesoka, misy ny tsy fanarahan-dalàna isankarazany, misy ny fividianana ireo délégué ny hafa, misy ireo listes électorales tsy tomombana, sns,,,,,

Fa ity lesoka iray ity no tena tsy azo leferina; ny fanomezana karampanondro zaza tsy ampy taona, 10, 11,12,13,14 taona, izay asaina mandatsa-bato, satria hono voasoratra ao anaty lisitrin’ny mpifidy, ary anjatony maro.

Aminy maha Solombavambahoakan’ny Madagasikara, voafidy eto aminy Distrikan’ny Tsihombe ny tenako, dia manambara ho ren-tany ho ren-danitra, fa fotoana izao ny hamongorana ireo ” tambazotra ” Izay mpanao sy nanantanteraka izany hosoka izany.

Atao hivoaka batsilana daholo izany rehetra izany, mba hahitana ny tena marina, satria tany tandalàna i Madagasikara.

Solombavambahoaka Marie Goulamaly-Tôlanaro