CENI – “Lalao” anaty maizina no atao eto!

Fitantanana fifidianana – Ratsy naoty eo imasom-bahoaka ny CENI

Sôh’son

Misy olona iray manary lamba sy miteniteny tsy mandeha amin’izay amin’ny laoniny eny an-dalambe iray. Ny olona rehetra mahita azy dia samy hilaza avokoa fa adala io. Izay olona sahy hilaza fa tsy adala io raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera hanamarina azy vao hiaiky izy, dia io olona io indray koa no ambaran’ny olona fa “tsy milamina”araka ny fitenenana ankehitriny. Efa hita fa adala izao ve dia mbola ilàna porofo avy amin’ny dokotera?

Toy izay koa no fahitana ny fihetsiky ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Efa niaraha-nahita izao fa tsy tomombana, misy fiovàny izay midika fa nokitihina ny lisi-pifidianana noho ireo afaka nifidy teo aloha na lasa tsy ao intsony ny anarany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina teo, na nihemotra ny laharana nisy azy, dia mbola itakiana porofo ihany. Tsy miaiky avy hatrany fa misy tsy mety, misy tsy tomombana ny asa niandraiketana. Ny heloka ibabohana, hono, mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka.

Ny fahitana ny zava-nitranga sy ny fihetsiky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni sy ireo hafa no nampihifikifika mafy ny vahoaka in-telo misesy izay farafahakeliny. Ary ny fiziriziriana ho manana ny marina sy ny tsy fiaikena ho nanao fahadisoana, fa misarangotra amin’ireo hafa toy ny eny amin’ny fokontany no mitarika hahato fo ny vahoaka.

Miara-mahita izao, fa mitontongana lozan-tany ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy, dia tsy mahatsiaro tena ho fototr’izany ny Ceni. Ny ataony indray aza manizingizina fa samy tompon’andraikitra avokoa hatramin’ny mpanao gazety, ary tsy miahotra ny miala bala sy manadio tena hatrany isak’izay fifidianana nitranga teto nosahaniny izay. Izay no fahitan’ny vahoaka azy hatreto. Tena tomponandraikitra marina ve ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ireo? Raha tomponandraikitra marina dia tsy mijery ny hafa isarangotana fa mandray ho azy irery ny fahadisoana, ka manarina izany tsy hiverina intsony amin’ny hoavy.

Miainga avy amin’ny Ceni ny tolo-kevitra amin’ny datin’andro anaovana fifidianana. Matoa manome andro sy fotoana toy izany dia efa vonona tanteraka amin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka, ka tsy hanisy fahadisoana intsony izay efa nitranga teo aloha. Ho an’ny mpanabe na mpampianatra, raha mpianatra ny Ceni, dia tsy nisy na tsy ampy ny ezaka natao, na nihemotra ny eo amin’ny fanamarihana ataony, miaraka amin’ny naoty ratsy eo amin’ny bulletin-ny. Mety hiafara amin’ny mamerin-taona aza fa mpianatra tsy misy fivoarana, tsy mianatra lesona, izay no hisoratra ao. Mety hisy hatramin’ny fanalana,”remise à sa famille”, mihitsy aza na hamerin-taona kilasy, satria efa tia “doublon” rahateo. Ho an’ny vahoaka, eo amin’ity resaka fikarakarana fifidianana ity, dia ratsy ihany koa ny naoty omeny ny Ceni, ary tsy handoka azy velively. Ireo mpanao rebik’ondry minia mikimpy anoloan’ny tsy fahamarinana noho ny tombontsoan’ny tenany fa tsy ny firenena ihany angaha no hitehaka azy eo.

Mahavariana ny toe-tsain’ny Ceni miaro tena amin’ny fitenenana hoe “fanakorontanana”. Ny hafa mpitsikera na mpanakiana azy no lazaina mety hiketrika izany amin’io teny ambarany io. Izany anefa ilay tena toe-tsaina fitenenana matetika fanaon’ny mpanao politika maloto amin’ny tranga iray mafanafana, manao izay hanampenam-bava ny olom-pirenena mikatsaka ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena, kanefa mbola ampiasain’ny Ceni ihany. Izany hoe tsy hita mihitsy izany ilay finiavana mba hanao môdely, fa ny ratsy hafa namohehitra ihany no tahafina.

Raha tsorina sy faranana ny teny tsy ireo olona mpikambana sy ekipany rehetra mikirakira fifidianana ireo velively no môdely mahay ny asany. Mba niala sy afaka tamin’ny paipaikadin’ny ministeran’ny atitany taloha tamin’ny fisahanana ny fifidianana kanefa mbola toa tafidi-kizo amin’ity Ceni ity indray koa. Indroa mahita ny maizina izany ny vahoaka Malagasy mpifidy. Miaina izay hamaizinana izay izy matoa mihena ny taha-pahavitrihany mandeha mifidy. “Lalao” ao anaty maizina no atao eto!