Marc Ravalomanana – Tena tsy olona vonona hanao fifidianana mihitsy ireo. Matahotra.

Mampahatsiaro anareo ry CENI. Mba jereo akaiky ny zavatra ataonareo fa tsy mety ny ataonareo. Teneno ny BV fa tsy azo ailika fotsiny hoe latsaka.

Vao manomboka izy ity dia be dia be ny olona tsy afaka mifidy, satria tsy tafiditra ao anaty ny lisi-pifidianana.

Dia tsy fantatra koa izay zavatra ataon-dry zareo any ambadimbadika any. Tena tsy olona vonona hanao fifidianana mihitsy ireo. Matahotra.

Mailo tsara isika hanisa ilay vato aloha. Dia samia ianareo manatanteraka izay fandaminana ataonareo, samy hanara-maso.