FIFIDIANANA MAHALASA SAINA .

Tsy mazoto hifidy intsony ny olo-maro eto an-tanàna.
(Tena hita ho malaina sy tsy misy hafanana.)
Ny hany fifaliany omaly dia ny nakanaka aina,
F’efa mila tsy ho zaka ny olana sy ny adin-tsaina.

Tsy mazoto hifidy intsony ny olo-maro eto an-tanàna,
Noho ny fandikan-dalàna ataon’ny olom-panjakana.
Fantatra mialoha ny vokatra, misy ny terena ho lany,
K’inona no hifidianana? hoy ny maro manontany.

Tsy mazoto hifidy intsony ny olo-maro eto an-tanàna.
Be ny toeram-pifidianana zary toa nibanabana.
Tena tsisy filaharana na koa sarin’ankisisika,
Ny antony dia tsotra ihany: be no efa tsy marisika.

Fifidianana azo ambara ho very hasina tanteraka.
Taratry ny fitondrana tsy mahomby sy efa reraka.
Tena tsy afaka hanetsika an’ireo vahoaka ao aminy,
Fa ny halatra sy lainga no hany solom-batomaminy!

SEDERA RAVALISON ( 27-11-19)