27/11/2019 – 17:40: Ambahaditokana BV Loharanombato – Teo amin’ny 12 ora antoandro tonga nanakorontana ny Depiote Ratsivahiny

Teo amin’ny 12 ora teo tao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, biraom-pifidianana Loharanombato, no tonga nanakorontana ny solombavambahoaka Ratsivahiny nitarika ny ekipa IRD nanakorontana ny fizotran’ny fifidianana.

Tsy nanana badge izy, tsy nanana andraikitra ao amin’ilay BV akory, nefa niditra amboletra ao anaty BV nitondra ny olon’ny IRD hisava ny PV rehetra hono, niaraka amin’ny fakantsary.

Vitany izay, dia lasa indray izy mamory olona teo antokontany fa hoe hanome toro-marika ho an’ny ekipany rehetra.

Teo anatrehan’ny mpanao gazety avokoa ny hetsika rehetra ka asa raha mba hisy hitatitra an’itony tranga hafahafa itony

FB Mandroso Randria