EDITO 23 Novambra – Fitondrana Rajoelina – Fampandihizana sy fampisehoana ihany no hainy

Rajaonarimpanontsana

Fametrahana vatofehizoro isan-karazany ilazana fa hanomboka ny asa kanefa inona no vita eo . Lazaina fa efa tonga ny fitaovana hanamboarana ny lalam-pirenena faha 44 mampitohy an’Ambatondrazaka, nitondrana fitaovana maro sy nanaovana fampisehoana isan-karazany kanefa toa mihemotra lava toy ny lelon-jaza ilay tetik’asa, ka amin’ny taona ho avy indray vao hatomboka. Ny andro fahavaratra indray no fialàna bala mahatonga ny fihemoran’ny asa tamin’ity indray mitoraka ity. Fa angaha moa tsy efa vita avokoa ny fanadihadiana mahakasika izany? Tsy efa fantatra fa andro fahavaratra ve no atao ny asa raha ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina? Zary lasa fisehosehoana fotsiny ilay tetik’asa, fa tsy misy fahamatorana velively. Miaro famitaham-bahoaka ihany koa mba hoentina ilazana fa tena miasa hoan’ny fampandrosoana ny vahoaka tokoa ity fitondrana ity. Ilay Hopitaly manara-penitra ireny aza mbola maro no tsy misy mpitsabo sy fitaovam-pitsaboana ary na ny tenany filoha namorona azy aza dia vaky vava noho ny tsy fiasan’ireny Hopitaly manara-penitra ireny, izy Filoha mihitsy izany no tena manaonao foana, efa fantatra fa tsy hihodina araka ny tokony ho izy ireny hopitaly ireny nefa mbola namboarina ihany. Tsy misy zavatra hainy mihitsy izany raha akapoka izay voalaza ny fitantanam-pirenena izany. Natao inona fotsiny izany izy ireny?

Tsy diso famakafakana isika ary voamarina ny teny voalaza etsy ambony fa vato fototra sy fisehosehoana no betsaka. Tsy mampiova ny andavanandron-dRamalagasy mihitsy ireny fihetsiketsehana rehetra ireny, fa vao mainka aza milentika lavitra ankehitriny ny fiainany. Ny jiro maty lava, ny rano tsy misy, ny olan’ny solika tsy voavaha, ny resaka tsy fandriampahalemana manjaka, ny olan’ny tany manginy fotsiny. Milaza ny andray an-tanana ny famahana ireny rehetra ireny ny filoha rehefa tsy mahavita ny tompon’andraikitra, nefa inona no eo. Tsy misy vita: fanendrena governora 11 ambiny aza hatramin’izao mbola tsy vita. Mety tsapan-dRajoelina koa fa tsy ara-dalàna izany, ka izay koa angamba no mbola tsy nanendrena ny antsasany amin’izy ireo. Tamin’ny filan-kevitry ny ministra farany teo aza dia mampiteny ny moan any nivoaka tao, fanendrena tale jeneraly iray monja no natao tao, nefa mbola be ireo tompon’andraikitra ambony nesorina mbola tsy voasolo ao amin’ny orinasa Jirama. Ao amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, efa volana maromaro, mbola misy ireo tale any amin’ny faritra tsy voatendry. Koa tsy mahagaga raha tsy mandeha ny raharaham-pirenena satria tsy manana olona ny fitondrana Rajoelina. Efa maro ny miteny ankehitriny fa rehefa tsy hanao raha dia tokony hiala izy ireo. Mijaly ny vahoaka.

Ankoatra izany, variana amin’ny fampielezan-kevitra indray ity ny fitondrana ity, ka na hatramin’ny fandikan-dalàna aza dia atao avokoa. Ampiasaina ireo olom-panjakana , fitaovam-panjakana miaraka amin’ireo kandidan’ny IRD mihitsy ary dia vakiana sy jerem-potsiny izany. Tsy ahitan-teny ny CENI eo anatrehan’izany fihetsika fandikana lalàna izany. Mety hiteny koa angamba ny CENI fa “Azo raisina fa tsy mitombina ny fandikan-dalàna” mitranga. Rehefa fintinina, dia ny fampandihizana sy ny fampisehoana no tena hain’ity fitondrana ity sy ny mpitarika azy fa tsy ny fitondrana firenena sy ny fampandrosoana velively.