Antsirabe – Zazakely 1 taona sy tapany eo, hita tao anaty lava-drano

Tranga hafahafa no niseho tao amin’ny Fokontany Fitomilasy-Bevokatra, Kaominina ambonivohitra Antsirabe ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Zazavavikely sahabo ho herintaona sy tapany eo, milanja 9kg raha ny nambaran’ny dokotera no nisy nahita tao anaty lava-drano eo an-tokontanin’olona iray. Raha ny fanazavana nentin-dRamatoa Olga, komitim-pokontany tao an-toerana, izay nitondra ilay zaza teny amin’ny hopitaly dia tranona mpiasan’ny fandraharahana ny fonja no nahitana ilay lava-drano mirefy 15 metatra eo ho eo ny halaliny.

Tsy mipetraka ao ireo mpiambina fa miasa any an-tsaha amin’ny antoandro, ka rehefa nody izy ireo dia gaga nandre feon-jaza mitomany tao andava-drano izay efa ritra. Niantso ny manodidina avy hatrany izy ireo fa misy zavatra hafahafa ary dia raikitra ny koka sy ny tsioka kiririoka ka vory lanona ny Fokonolona. Rehefa natao ny fizahana dia hita ilay zazavavy kely, nipetraka tamina « bidon » mavo ireny no nitomany tao andava-drano. Nakarina ilay zaza ary nanontaniana ny rehetra saingy tsy nisy nahafantatra azy. Nentina tany amin’ny Polisin’ny FIP ilay zaza satria io no teo akaiky teo saingy nasain’ireo naterina teny amin’ny Commisariat Central, ka rehefa nohamarinina tao dia tsy nahitana fitarainana zaza very tao.

Nentina nozahana teny amin’ny toeram-pitsaboana hopitaly atsimo ilay zaza, ka rehefa notsapaina dia nahitana naharary ny tao an-damosiny ary notsaboina io alin’ny alatsinainy io aloha.

Nantsoin’ny mpitandro filaminana ireo nahita ny zaza, ny talata maraina, ary dia nasaina nanao ny tatitra teny anivon’ny Prefektiora sy ny sampandraharahan’ny Mponina ary hitohy any amin’ny Fitsarana ny raharaha. Hatreto dia tsy mbola nisy nitonona ho tompon’ny zaza ka tsy fantatra na zaza nokasaina hangalarina ka nafenina ity zaza ity na nariana tsotra izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana hatreto.