EDITO 19 Novambra – Fitondrana Rajoelina: Vahaolana “tip top” sy “famonoana afo” no manavanana azy

Sôh’son

Ho taona miompana amin’ny fanaovana « tip top » sy “famonoana afo” ve ity taona 2019 ity izay taona voalohany nitondran-dRajoelina sy ny ekipany? Raha mitodika mibanjina ny 11 volana nodiavina izay dia maro ireo olana niseho niainan’ny vahoaka sy nampimenomenona azy mafy, ary na dia nitaraina aza dia matetika toy ny manao antso an-tany efitra hatrany.

Efa am-bolana maro, ohatra, ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra no nanao fitakiana, fa volana firy aty aoriana vao mody mitady hevitra amin’ny hanatanterahana dinika ny eo anivon’ny ministera misahana ny fampianarana ambony. Ary tsy nisy io dinika io raha tsy efa nanambana sy nandrahona mafy ny hisian’ny taona fotsy ny Seces. Ho dinika hamonoana afo io.

Efa niaka-bidy izaitsizy ny vidim-bary sy ireo entana fanjifan’ny mponina andavanandro vao nikoropaka nanao vary mora sy ny tsena mora, ary izany indray aza tsy natao raha tsy efa niditra tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, mba hampanginana ny vahoaka izay efa niha-nisendaotra. Fepetra “tip top” sy “famonoana afo” io.

Mafy dia mafy ny olana famatsiana rano sy jiro nanjo ny vahoaka tao anatin’ny volana maro. Olana izay mbola mitohy mandraka ankehitriny, fa tsy mbola voavaha tanteraka. Vahaolana “tip top” sy “famonoana afo” ihany koa hatreto no nentina namahana izany toy ny fametrahana siniben-drano goavana plastika na fanesorana sy fanoloana tomponandraikitra. Izany hoe mazava loatra mbola tsy afak’olana ny mponina, ary tsy mbola fantatra mazava ny fe-potoana hivahan’izany tanteraka. Mbola mampanahy aza ny hivahan’izany satria tadiavina hanorenana tanàna vaovao tsy lavitra ny renivohitra. Hiampy mpanjifa vaovao marobe anefa izany kanefa amin’izao fotoana izao aza efa tsy araka ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ary izany aza no lazain’ny tomponandraikitra ho fototry ny olana. Izany hoe tsy ho afak’olana velively Antananarivo sy ny manodidina amin’ity resaka famatsiana rano sy jiro ity.

Eo min’ny sehatry ny fampianarana ihany, dia niedinedina ho tena miasa Rajoelina sy ny fitondrana tamin’ny fizarana fitaovam-pianaran’ny mpianatra andro vitsivitsy lasa izay. Nisehoana fa mamaha olan’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny tenany. Haharitra hafiriana anefa ny fampiasana ny fitaovana nozaraina tamin’izy ireo ary manao ahoana ny fahatezàny? Mazava loatra, fa tsy handritry ny taom-pianarana iray manontolo velively. Niaraha-nahita tsara sy toy ny vay an-kandrina, ka sady marary no mahamenatra ihany koa ny fizoran’ny fanadinana bakalorea farany teo ireny. Tena krizin’ny fampianarana iny nitranga iny satria ity sehatra iray lehibe efa an-taonany no narary, fa anisany fihetsehany mafy ny tamin’iny. Vahaolana tsy naharesy lahatra ny maro koa anefa no nataon’ny fanjakana nanoloana izany, fa natao izay hamonoana afo fotsiny aloha. Fa iza amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministera na ireo olona eo amin’ny fitondrana no sahy hiteny sy hiantoka tanteraka fa tsy hanana olana ireo mpianatra afa-panadinana ireo eo amin’ny fanohizany ny fianarany na eo amin’ny fidirany amin’ny tsenan’asa? Vahaolana tsy mahavaha ny olana any aoriana no natao.

Manana olana lehibe ny seha-pitaterana eto amin’ny firenena. Sehatra iray lehibe ihany koa io tsy afak’olana matetika. Rehefa misy zava-mitranga vao miainga avy any haingana hatrany ny vahaolana vonjimaika. Dia zara raha mivaha ny olana sasantsasany eo amin’ity fitateram-bahoaka ity, fa amin’ny ankapobeny mbola tena kizo tanteraka ny iainan’ny vahoaka. Ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany koa dia mbola ilay fitenenana efa hatry ny ela ihany no mbola mitoetra, fa tsy mbola mahavaha olana ny natao toy ny hopitaly manara-penitra, dia ny hoe: “Aza mba marary ihany!”. Ny antony, tsy natao ho an’ny sahirana ny halafom-panafody, ny saram-pitsaboana indrindra raha aretina sarotra sy manahirana ny mitsabo azy.

Amin’ny ankapobeny izany, ary raha haravona dia saronana amin’ny vahaolana “tip top” sy “famonoana afo” hatrany no politika ampiharin-dRajoelina sy ny olony tato anatin’izay volana 11 izay. Ary mbola hiseho izany ato ho ato amin’ny ho fidangan’ny vidim-piainana.