RY NOMENA FAHEFANA !

Ny olo-manakiana anao, aza ambanana amim-basy.
Mila ainga vaovao ny vahoaka malagasy.
Tena leon-kabary lava tsy mitondra vahaolana,
Ka mitady ny mazava f’efa leon’ny maizim-bolana!

Izy ireo matoa manohitra, tsotra ny azy no kendreny:
Mba maniry “tendrombohitra” f’efa leon’ny “heniheny”.
‘Ndeha diniho ny fitakiana f‘aza tia manao bontolo,
Dia ho feno fifaliana ny vahoaka manontolo.

Tsy mba fahavalo akory ireo mitondra fanakianana.
Tsy hoe te hanorisory fa dia te hanolo-tanana.
Raiso re ny torolalany, (tiany ny handray anjara!)
Raha tsy mety ny “fanalany”, itadiavo tsaratsara.

Aza tia miziriziry na koa hifanahim-bandro
Ka hisisika hikiry ny amin’ilay “tanamasoandro”.
Ny vahoaka no ierao fa azy anie ny fahefana!
Mpindrana ny toa anao izay ao anaty fitondrana.

DADAN’i ZINA (13-11-19)