EDITO 13 Novambra – Politika sy fampielezan-kevitra – Aoka tsy ho voafitaka amin’ny fandaharan’asa tsy mitombina

Sôh’son

Ho tandindonin’ny fanotofana tany hatrany Antananarivo renivohitra hanorenan-javatra amin’ny tetikasa tefy maika. Nambaran’ny kandidàn’ny IRD na IRK, fa fandaharan’asany ny hanorina trano vaovao ho toeram-ponenana 500 isan-taona. Nanaitra ny sain’ny maro izany, ka nampametra-panontaniana hoe: aiza ny hanorenana izany indray? Tany aiza no hototofana sa eny amin’ny faritra iva no hanamparana izany? Ankoatra ny trano fonenana dia eo ihany koa ny trano fidiovana na WC. Aiza ihany koa ireo toerana hanorenaa izany ary avy aiza ny vola fampandehanana azy satria nambara fa ho maimaimpoana ny fidirana amin’izy ireo? Miharihary fa be famaritra toy ny rambon’osy fotsiny ny vinan’asa fampanantenana omeny ny mponina ao anatin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao, ary fampanonofisaana fotsiny sy programa misavoana.

Mazava anefa ny vinan’asa ataon’ny kandidà Rina RANDRIAMASINORO, dia azo tanterahina tsara, fa tsy fampanonofisaana vahoaka. Azo atao tsara ny asa ary mahakasika tanteraka ny fiainam-bahoaka andavanandro tanteraka sy mahasoa azy. Mila mahay manavaka ny fampielezan-kevitra poak’aty sy fandaharan’asa tsy ho tanteraka sy ny fandaharan’asa mitombina toy ny an’i Rina N°2 ny mpifidy amin’ny alarobia 27 novambra ho avy izao io. Tsy hadino koa ny handrotsaka ny biletà-n’ireo mpanolotsaina miaraka aminy, avy amin’ny antoko TIM amin’io fotoam-pifidianana io, mila mahazo ny maro an’isa i Rina sy ny mpanolotsaina ao amin’ny Filan-kevitry ny tanàna fa raha tsy izany dia ho sahirana izy ireo amin’ny fantanterahana ny asa raha tsy hahazo izay maro an’isa izay.