Anosibe zaivola – Maty tapaka lalan-drà noho ny tetikasa Tana-Masoandro i Dada Roger

Voalevina ny Sabotsy lasa teo ilay raim-pianakaviana maty vokatry ny poa-basy teny Anosibe Zaivola tamin’ny volana oktobra lasa teo mahakasika ny raharaha Tana-Masoandro, ka nahatonga azy ho tapaka lalandrà. Ary rehefa notsaboina sy nialana nenina teny amin’ny toeram-pitsaboana dia tsy tana fa nodimandry i Dada Roger ny alarobia teo.

Araka ny nambaran’ny fianakaviana dia nangina aloha izy ireo, fa satria efa lasa dada, hoy izy ireo, dia hiteny amin’izay izahay, satria marary tsy zaka izany. Ankoatr’izay koa dia nilaza ireo mponina voakasika amin’ity tetikasa ity, fa na inona na inona fanapahan-kevitry ny fanjakana dia tsy hanaiky na oviana na oviana ny hanotofana ny tanimbary sy hamindrana toerana azy ireo, ireo tantsaha eny Ambohitrimanjaka sy ireo kaominina manodidina, na dia misy aza ny ramatahora sy fanerena ankolaka ataon’ny fanjakana, ny hoe “hosamborina izay tsy manaiky eo”.

Ny sabotsy teo no nanao fotoam-bavaka iraisam-pinoana izy ireo tao amin’ny kianjan’Anelotsara.

RaEVA