RY MPITONDRA O !

Ry mpitondra o! re fa misy ireo harena sesehena
Izay aondrana any ivelany amim-pomba tsy mazava.
‘Zany fahanginanao dia toa midika ho fanekena
Fa ianao no mpiara-komana, hany ka mikombom-bava !

Omby velona no heno f’efa manana mpandray.
(Mandalo fotsiny ny sambo dia mandeha ny fanondranana.)
Izany ve no mampihena ny omby amidy eto aminay?
Malalaka ny sisin-tany fa tsy misy fanakanana?

Ireo vahiny moa tsy hay fa dia mampiasa hafetsena.
(Ny sinoa, manao izay tiany f’efa tompon’ny tanàna!)
Ao ireo vato sarobidy, indrindra fa ny volamena
Izay mivoaka an-tsokosoko, tsy mandalo fisavàna!

Saika ripaka ny ala tamin’ny tetezamita.
(Tamin’izany no efa re fa nisy olo-nokarohina!)
Saingy izao dia mbola re fa misy ireo “mahitahita”
Izay manondrana andramena nefa tsy voatohintohina !

Mampametraka baraingo izany rehetra rehetra izany
Fa toa lasana ny “ngaly” dia mandimby indray ny “ngizina”.
Sao ‘nareo mpitondra ihany, sao ‘nareo mpitondra hatrany
No jiolahy eto an-tanàna sady sefon’ny mpibizina ?

DADAN’i ZINA (06-11-19)