Boriboritany faha-2 sy faha-6 – Azo antoka fa efa ho lany i Rina N°2

Helisoa

Alefa Rina… fidio Rina… tsy afaka ao ambavan’ny vahoakan’Antananarivo intsony ny hiaka sy fanentanana hifidianana an’i Rina Randriamasinoro, ilay kandidà laharana faha 2 ao amin’ny bileta tokana. Tanora mahavita azy ary manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa feno amin’ny fitantanana ny tanàna. Azo antoka fa efa lany i Rina satria mahatoky azy ny olom-pirenena mpifidy. Manaporofo izany ny fifanosehana amin’ny fijerena mivantana sy fandraisan-tanana ary fifampiresahana aminy.

Manotrona hatrany an’i Rina ny filoha Marc RAVALOMANANA, manoro hevitra sy miara-mizaha ny zava-misy iainan’ny mponina. Tetik’asa azo tanterahana tsara sy mamaly ny tena filan’ny vahoaka no ho tanterahana eto Antananarivo renivohitra fa tsy fampanofisana ny vahoaka fotsiny ihany, mba hahazoana ny latsa-batony. Manao sesilany ny fanambarana fanohanana ny kandidà Rina RANDRIAMASINORO.

Ankoatra ny fikambanana Ambalambahoaka izay efa nametraka fitokisana amin’i Rina dia hanatevindaharana ihany koa ny VAMA na Vahoakan’Ambohimanarina Miray, izay fikambanana tanora mpitia fanatanjahantena. Mihaino sy mandray ireo hetahetan’ny vahoaka i Rina. Avy amin’izay no hitondrana vahaolana maharitra mendrika sy antonona azy.

Tsy hitsanga-menatra ny vahoakan’Antananarivo renivohitra hametraka ny fitokisany, ka hifidy an’i Rina. Eo ihany koa ireo olontsotra tsy mpikambana amin’ny antoko politika.