Rina N°2 Antananarivo – Mahay mihaino sy mifampitakosona amin’ny mponina

Stefa

Nitohy teny amin’ny faritra Ampandrana sy Bel’Air, ao amin’ny boriboritany faha-3 indray ny fitetezam-baravana nataon’ny kandidà Rina Randriamasinoro, ho ben’ny tanàna eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ,tamin’ny omaly, izay kandidà natolotry ny TIM, ary mitondra ny laharana faha-2 ao anatin’ny biletà tokana, raha toa ka teny amin’ny faritra Anosipatrana sy Ilanivato, afak’omaly, no nanatanterahina fidianana ifotony, nifampitafa mivantana tamin’ny vahoaka.

Nanotrona azy hatrany, tamin’ireo faritra nanaovany ny fampahafantarana ny vinany sy ny maha kandidà azy ireo solombavambahoaka TIM voafidy isaky ny boriboritany nolalovany. Mbola ao anatin’ny vanimpotoana mialohan’ny fampielezan-kevitra isika amin’izao fotoana izao araka ny faritan’ny lalàna, ahafahan’ireo kandidà manao ny fampahafantarana ny maha kandidà azy sy ny vina hotanterahany ho an’ny mponina. Araka izany, dia teny amin’ny faritra Ampandrana sy Bel’Air indray no nolalovan’ny kandidà Rina omaly, nampahafantarina fa izy no kandidà ho ben’ny tanàna natolotry ny TIM ary mitondra ny laharana faha-2 , nanolotra ny vinany mahakasika ny paikadim-pampandrosoana haroso ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, mijery ny olana eny ifotony ary mihaino ny hetahetan’ny mponina.

Niara-dia taminy teny an-toerana hatrany ny solombavambahoaka Feno RALAMBOMANANA, voafidy teo anivon’ny boriboritany faha-3. Ny olan’ny lalana anelakelantrano, ny rano mihandrona vokatry ny tsy fampian’ny tatatra, ary ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio no nambaran’ny mponina fa tena manahirana azy ireo teny an-toerana. Mila olona tanora, manam-pahaizana, kanefa mahay mihaino sy mifampitakosona amin’ny mponina no ilaina hitantana an’Antananarivo, araka ny nambaran’ny mponina hatrany. Endrika feno tsikitsiky mitory fanantenana vaovao no tazana nandritra ny fihaonana sy fifampiresehana teo amin’ny kandidà Rina sy ny mponina tamin’ireo toerana rehetra nolalovany.

Raha ho an’ny andron’ny afak’omaly indray kosa dia teny amin’ny faritra Anosipatrana sy Ilanivato no nanaovan’ny kandidà Rina ny fitetezam-baravarana niaraka tamin’ny solombavambahoaka RAMBOASALAMA Emilien, voafidy teo anivon’ny boriboritany faha-4. Miaina ao anatin’ny fahasahiranana ara-tsosialy ny ankamaroan’ny mponina eny an-toerana, manampy trotraka ihany koa ny olan’ny fahatsentsenan’ny tatatra sy ny faharatsian’ny lalana anelakelantrano izay tena mampijaly rehefa fahavaratra. Na eo aza izany dia endrika feno tsikitsiky no nifampitafan’ny mponina teny an-toerana tamin’ny kandidà Rina. Midika fa misy fiovam-piainana lehibe andrandrain’izy ireo amin’ity kandidà natolotry ny TIM ity.

Ahafahana manatanteraka ireo hetahetan’ny mponina dia tsy maintsy fantatra mialoha amin’ny alalan’izao fidinana ifotony izao avokoa ireo olana lehibe tena mianjady eny anivon’ny fiaraha-monina hoy ny kandidà Rina. Tsikaritra tamin’ireo lalana rehetra efa nolalovan’i Rina, fa maika ny hahafantatra sy hahita azy ny mponina, maro ireo mihazakazaka manatona avy hatrany raha vao mahita an’i Rina, ao ireo miantsoantso ny mba handroson’i Rina isam-baravarana.