Mpomba an-dRajoelina, misy tsy mankasitraka ny Tana-Masoandro koa

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra mibosesika isan’andro vaky izao ny olana atrehin’ny fitondrana kanefa ny teo aloha tsy mbola misy fanafana, hany ka miteraka disadisa eo amin’ireo tandapa izany.

Tsy manaiky ny fanotofana ny tanimbariny ireo mponina eny Ambohitrimanjaka satria tanindrazany nolovainy avy amin’ireo ray aman-dreny teo aloha. Ambonin’izany dia manamaivana ny fandaniana ara-tsakafo ho an’ireo manana tany ny vokatra azo avy amin’ireo tanimbary sy tanimboly. Miezaka mamono afo ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny alàlan’ny talen’ny kabinetra. Nisy ny fialan-tsiny kanefa mbola « miato » fotsiny ihany aloha ny tetikasa, ary nesorina teny an-toerana ireo fitaovana efa natoby teny, kanefa toa mbola mety hitohy indray ny asa aoriana.

Tsy ela taorian’iny famoriam-bahoaka sy fanambarana iny dia efa nidrikina ny tandapa sasany satria tsy nisy nifanaraka tamin’izany, hono. Na izany na tsy izany dia misy tsy mankasitraka io tetikasa « Tana-masoandro » io ihany koa ny mpanohana an-dRajoelina Andry ary mitifitra ny minisitry ny fanajariana ny tany. Tsy milamina izany aloha hatreto ny momba ity tetikasa ity satria ny mponina, tompon’ny tany, tsy hanaiky ny fanotofana ny taniny na hisy « rà mandriaka » aza, araka ny efa nambaran’izy ireo sady mitaky ny hamoahana ireo namany nosamborina. Etsy an-daniny kosa dia mety hitady hirika amin’ny fanarahana ny dingana tsy maintsy lalovana ny fitondrana ka rehefa heveriny fa ara-dalàna izany dia ho tanterahiny amboletra amin’izay ny tetikasa.

Nandritra ny volana maro no nifampidinika tamin’ireo mpandraharaha ara-tsolika ny mpitondra, toa mba nisy hirika kely nisokatra, ka nihena kely ny vidin’ny gazoaly sy lasantsy ary nihena be ny solitany fandrehitra izay tsy dia misy mampiasa loatra intsony na any ambanivohitra aza. Misafotofoto indray ny toe-draharaha satria dia filaharana tsy misy toy izany eny amin’ny toby mpamatsy solika tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Tokony ho tonga omaly ny sambo lehibe mpitatitra solika, ka ho voavaha ny olana. Asa raha tsy fantatry ny tomponandraikitra na hodiany tsy fantatra fa raha tonga any amin’ny seranan-tsambo izany mpitatitra solika izany dia tsy ho tonga eo no eo eny amin’ny toby mpanjinjara izany fa andro maromaro vao ho tonga any. Tsy mahagaga raha manahy ny mpampiasa fiarakodia, toy ny taksibe sy ny taksi, ka milahatra satria raha tsy misy ny solika dia tapaka eo koa ny fidiram-bola. Na dia ferana aza ny omena ireo mpanjifa dia efa misy sahady ny varomaizina, ka mikaikaika ireo mpampiasa fiara satria tsy ampy araka izay ilany azy ny tolotra. Tsy fantatra intsony fa toa mifanindry an-dàlana amin’ny tsy fisian’ny solika ny delestazy izay lazain’ny ao amin’ny orinasam-panjakana Jirama fa olana ara-teknika. Na izany na tsy izany dia miteraka olana ara-ekonomika ihany koa ny fahatapahan-jiro satria ireo mpampiasa izany dia maty antoka na dia ora iray na roa aza no tapaka ny herinaratra.

Hain’izao fitondrana izao ny mampiesona amin’ny alàlan’ny serasera, ka na izay tsy hahita tombontsoa amin’izay lazainy aza dia mitehaka sy manohana fa hisy tokoa ny fampandrosoana. Tsy misy ny solika dia filaharambe tsy misy toy izany eny amin’ny toby mpanjinjara ho an’ireo saranga manana fahefana mividy fiara na kodiarana roa. Sokafana ny tsena mora dia lasa milahatra eny ny vahoaka sahirana sitrany misy hohanina mandritra ny herinandro. Tonga ny faktioaran’ny Jirama dia milahatra mandoa izany ny rehetra mba tsy ho tapaka ny herinaratra sy ny rano. Variana amin’ny fampiesonana sy fampanofisana tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka na fampandrosoana ny firenena ny mpitondra.

Efa zatra ny tsy niraharaha ny sosialim-bahoaka sy tsy mandala ny rariny sy ny hitsiny nandritra ny tetezamita izao fitondrana izao, ka rehefa tafaverina eo amin’ny fitondrana indray dia mamerina ireo fomba fitantanana tsy nahomby.