INONA NO VAOVAO ? (tohiny)

Inona no vaovao malaza hatrany ivelany any?
– Alàna an-keriny amin’ny taniny ny mpamboly ka tomany.
Tetikasan’ny filoha no asandratra sy ankalazaina,
Tsy nahazo fankatoavana fa natao an-tenin’aina!

Be no efa miakatra afo sady tohina ny fony,
Fa ny tena tompontany, tsisy vidiny intsony!
Tena ireo mpitondra ambony sy vahiny mpanambaka
No miray tsikombakomba sy avy dia manjakazaka.

Inona no vaovao mikasika ny fampianarana?
– Mitotongana tanteraka fa tsy misy fivoarana!
Sehatra tsy maharototra an’retsy mamba noana,
Ka mazàna no ataony faralahiny eny foana!

Mampisento ny olo-maro raha ny voka-panadinana.
Mihamidina isan-taona, very ny fahamarinana!
Hosoka sy risoriso no iainan’ny vahoaka,
Tonga hatramin’ny fisian’ny laza adina mivoaka!

Inona no vaovao mandreraka ny iray tanàna?
– Jiro tapaka matetika ka midify ny hazavana!
Rano koa dia toy izany , lasa olana isan’andro.
Sasak’alina vao misy hanokonana nahandro .

Filaharana hatrany ny amin’ny paompim-pokontany.
Tsy maraina tsy hariva f’eo ny andronao no lany.
Be dia be no mitaraina sy efa tena leo tanteraka,
Kivy ny amin`ny lamasinina midororo sy mandreraka.

Inona no vaovao any ambanivohitra any?
– Jiolahy mpangalatra omby no mirehaka aok’izany
Fa hoe azy ny tanàna, akamany ny fitondrana,
Ka dia tsy matahotra izy fa mitohy ny fandrobana.

Fitsarana, tsy ahoany fa voavidiny, hono, ireny.
Vola ny azy no mpanjaka, vola ny azy no miteny.
Ny zandary koa toy izany, tsy atahorany intsony
F’efa misy namany, hono, miaro azy ery ambony!

Inona no vaovao sy resadresaka manidina?
– Toa ho votsotra amintsika iretsy “nosy manodidina”.
Raha ny teny izay mandeha sy resadresaka mivantana
Dia tsy misy sy tsy hisy ny “fiarahana mitantana”.

Fa dia revin-gadra ihany ny an’ireo mpitondrantsika.
Fampiesonana ny gasy, fikafika politika !
Ny filoha frantsay dia nanamafy tetsy ankilany
F’azy iretsy vondro-nosy, efa ao ny miaramilany.

DADAN`i ZINA (24-10-19)