Vonjeo Ambohitrimanjaka 974 (Nosy La Réunion) – Atsaharo ny fanotofana tany sy ny fampiasana herisetra amin’ny vahoaka

Stefa

« Atsaharo tsy misy hatak’andro ny fanotofana tany ao Ambohitrimanjaka ! Atsaharo ny asa fanombohana sy ny fananganana ny Tanamasoandro eo Ambohitrimajaka ! Atsaharo ny fandatsahan-drà ny vahoaka sy ny fampiharana herisetra ! Aza esorina amin’ny Tanindrazany ny mponina ao Ambohitrimanjaka. Aza atao sesitany ny mpiray Tanindrazana satria tsy nisy heloka vitany. Midadasika i Madagasikara, ka maro ny toeran-kafa tsy misy mponina, azo hanorenana Tanamasoandro ».

Ireo no hafatra nampitain’ny mpiray Tanindrazana Malagasy monina any amin’ny Nosy La Réunion, nandritra ny fihaonana fanohanana ny tolon’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, notontosaina ny alahady teo. Maneho firaisam-po sy firaisan-tsaina ho an’ny mponin’Ambohitrimanjaka ireto olon-tsotra sy solontenam-pikambanana maro any La Réunion ireto sady nanao fanehoan-kevitra manaraka izao :

– heloka bevava sy fanitsakitsahana ny maha-olombelona ny fakana tany an-keriny ka tsy azo ekena (l’accaparement de terres est reconnu comme Crime contre l’Humanité et Violation des Droits de l’Homme depuis 2009).

-Izahay eto La Réunion hoy ny fanambarana dia manohana tsy misy fepetra sy amin’ny endriny rehetra ny fitoriana ny raharaha Ambohitrimanjaka any amin’ny sehatry ny fitsarana iraisam-pirenena amin’ny maha-heloka be vava sy fanitsahana maha-olombelona azy.

– ny fanotofana tanimbary 1000 ha dia mampihena ny voka-bary eto an-toerana, nefa i Madagasikara mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo.
Tsy azo ekena noho izany, ny fanimbana ny foto-piveloman’ny mponina ao Ambohitrimanjaka: voly vary, fanamboarana biriky, fiompiana trondro…
Ny fahaverezan’ny asa fivelomana dia hampitombo ny fahantran’ny mponina ao Ambohitrimanjaka noho ny tetik’asa.

– vakoka mila arovana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka sy ny lemak’i Betsmitatatra iray manontolo, hoy izy ireo.
Tokony heverina ny fanoratana azy ho anisan’ny Vakomanitra iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO (Patrimoine immatériel de l’Humanité).
Tokony harovana amin’ny fomba rehetra satria mitahiry harena ara-kolontsaina manan-danja sy manan-tantara.

– Fanimbana ny tontolo iainana ny fanotofana tanimbary eny Ambohitrimanjaka.
Ny mety ho vokatr’izany :
Tondra-drano manerana ny lemak’Antananarivo, indrindra ny eny “ambany tanàna”.
Fahasimban’ny zavaboahary miaina amin’io toerana midadasika io.
Hivarina any an-tanimbary ny ranomaloto avy ao amin’ny Tanamasoandro.