Raharaha Ambohitrimanjaka – Mitady vahaolana koa ireo senateran’i Madagasikara

Fihaonana loholona sy solontena ny mponina Ambohitrimanjaka (sary nindramina)

Helisoa

Mitady vahaolana momba ny raharaha Ambohitrimanjaka koa ankehitriny ireo senateran’i Madagasikara. Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambotrimanjaka, omaly alatsinainy ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritan’Antananarivo, ka Andriamatoa Randriamanantsoa Jafetra, Loholona avy amin’iny Faritra iny no anisan’ny nitarika izany.

Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, dia nandray andraikitra ireto Loholona ireto, nandeha nidina ifotony teny an-toerana, hijery sy hamantatra izay tena zava-misy marina. Fidinana ifotony nifampiresahana sy nihainoana ny feon’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka. Andriamatoa Eric solontenan’ny vahoaka eny an-toerana nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nilaza fa tsy manda io tetik’ asa Tanamasoandro io ny mponin’Ambotrimanjaka, fa mba mangataka ny hijeren’ny fitondram-panjakana toerana hafa hanatanterana izany fotodrafitr’asa izany. Namafisiny ihany koa fa Ambohitrimanjaka dia isan’ny mpamatsy vary ny tanànan’Antananarivo, ka noho izany dia mangataka izy ireo ny mba tsy hanatotofana ny tanimbary.

Manoloana izany, ny Loholona RAKOTOZAFY Jean Martin dia nanambara fa ny fifampiresahana ihany no tena zava-dehibe, ahafahana mamaha olana. Nampanantena ny hitondra ny hetahetan’ny vahoakan’Ambotrimanjaka eny amin’ny tompon’andraikitra voasahana amin’izany tetikasa izany ary koa nampanantena ny hampihaona ireto vahoaka ireto amin’ny Governemanta.

Ny Loholona Randriamanantsoa Jafetra dia miantso ny fandraisan’ andraikitra ny fitondram-panjakana, mba tsy hitaran’ity raharaha ity ho zavatra hafa. Niatrika izany ihany koa ny senateran’i Madagasikara avy amin’ny antoko TIM, Olga Ramalason.

Fihaonana loholona sy solontena ny mponina Ambohitrimanjaka (sary nindramina)