Kandidà Rina N°02 Antananarivo – Mbola be ny zavatra hatao na efa be ny zava-bitan’ny CUA

Ny kandidà Rina, niatrika ny fanokafana ny tournoi Rugby teny amin’ny kianjan’Alarobia

Naina

Mitohy ny fidinana eny ifotony, ataon’ny kandidà Ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina RANDRIAMASINORO, kandidà laharana faha-2 ao amin’ny biletà tokana, ho fampahafahantarana ny maha kandidà azy sy ny fifampitafana mivantana amin’ny mponina ho famantarany ny olana iainan’izy ireo. Fitetezana ny isam-baravarana na porte à porte teny amin’ny faritra Ankadindramamy, Ampamantanana, Andraisoro Boriboritany faha-5 indray no nanaovany izany fitsidihina ny mponina izany.

Ankoatra izay, natomboka ny alahady teo ny lalao Rugby eny amin’ny Kianja Alarobia, hetsika ara-panatanjahantena namaliana ny hetahetan’ireo tanora mpitia baolina lavalava eny anivon’ny fokontany. Nanambara i Rina fa maro ny asa vitan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ho an’ny eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, fa mbola betsaka ihany koa hoy izy ireo asa miandry, betsaka ny zavatra mbola mampitaraina ny mponina.

Raha ho an’ny eny amin’ny faritra Ankadindramamy, Ampanotokana, Andraisoro, Tsarahonenana eo anivon’ny boriboritany faha-5 iny dia ny lalana sy lalankely anelakelantrano, ny tsy fahampian’ireo foto-drafitrasa ara-tsosialy samy hafa toy ny toeram-panasan-damba no itarainan’ny mponina. Fa momba ny tournoi Rugby ho an’ny mpiangaly baolina lavalava rehetra eto an-drenivohitra, hetsika anomezana sehatra ho an’ireo tanora mpilalao baolina lavalava eny anivon’ny fokontany izy. Somary adino ihany ny mpilalao Rugby zandriny, ankoatra ireo ELITE hatramin’izay araka ny fitarainan’ireo tanora, ka mety hahatonga ny sasany amin’izy ireo hivarina any amin’ny zavatra hafa, nefa dia avy amin’ireo mpilalao eny anivon’ny fokontany ihany no hiavian’ireo kintan’ny baolina lavalava hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara. Ho famaliana ny hetahetan’ireo tanora ireo indrindra no nanokafana izao tournoi izao, ka ekipa manodidina ny 80 isa avy amin’ny boriboritany miisa 6 eto an-drenivohitra no hahazo tombony amin’izany araka ny namabaran’ny kanadidà Rina.