EDITO 19 Oktobra – Tetikasa Tana-masoandro : tsy io akory no hampisandratra an’i Madagasikara

Sôh’son

Mianatra ny hanara-dia ireo firenena an-dalam-pisandratana sy ireo efa misandratra maneran-tany i Madagasikara. Anisany misongadina amin’izany ireo firenena indostrialy vaovao Aziatika manara-dia ireo efa tena misandratra toa an’i Shina. Teny filamatry ny fitondrana Rajoelina rahateo izany ary ireo firenena ireo no atao modely. Ny tsy nianatra ny tondro-pampandrosoan’ ireo firenena ihany anefa no tsy mahalala ny nampandroso azy ireo, fa tsy ampy ny mijery ivelany fotsiny ny rentirenty asehony.

Maro ireo teboka nahatonga ireo firenena hisandratra fa tsy tongatonga ho azy. Tsy ezaky ny olom-bitsy mpanefoefo akory, fa fiaraha-mientan’ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Notsinjovina avokoa ny rehetra fa tsy nisy natao zanak’Ikalahafa na natao tany avo avaratra. Tsy nisy na iray aza mpandraharaha nanaovana toetra tsy zaka na hetraketraka amin’ny endriny samihafa na ihany koa tian-kano tsy tian-kano. Ary ny politika ara-toekarena matotra sy nahita lalan-kombana mazava sy hentitra ary feno fandalinana. Santionany vitsivitsy sy natao ankapobeny ihany ireo tondro-pampandrosoana ireo hanaovana tari-tsaina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy hiaingana eto hikendrena hampisandratana an’i Madagasikara.

Raha hanara-dia an’ireo firenena ireo i Madagasikara tsy mitovy ny toe-tsaina sy ny finiavana ananana mbamin’ny fitiavan-tanindrazana hiaingana ary hita ho tsy hitovy ihany koa ny lalana. Ny tetikasa Tana-masoandro ahindrahindra ity tsy teboka niaingana velively tany amin’ireo firenena an-dalam-pisandratana sy efa misandratra ireo. Sehatra hafa ny azy ireo no nahafahany nanokatra lalana nisandratana toy izao. Nisy fototra mafy niaingana ry zareo Aziatika misandratra ireo. Manao ahoana anefa izay fototra izay raha eto Madagasikara? Misy teboka maro no toa iniana ikimpiana eto kanefa fototry ny hampandroso ny firenena. Raha tsy voajery akaiky sy ifotoran’ny fitondrana ankehitriny ireo dia tonga amin’ny fomba fiteny hoe: hihodinkodina ohatry ny mponin’Israely eto fotsiny, ary tsy ho lasa lavitra toy ny akoho mivoaka maraina.

Ireo fototra ireo aloha no tokony hifotorona sy maika fa tsy ity tetikasa ity velively. Tetikasa izay izy ity tsy iombonan-kevitra amin’ny vahoaka akory. Io tranga io dia efa teboka iray sahady mifanalavitra amin’ny nataon’ireo firenena misandratra amin’izao fotoana izao.