Depiote TIM – Ambohitrimanjaka – Ny seraseran’ny mpitondra indray no mandrangitra

Helisoa

Nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara (TIM) omaly, mikasika ny raharaha Ambotrimanjaka. Nanambara ny depiote Mamy Rabenirina fa tsy nandeha araka ny lalàna ny fanaovana io tetik’asa Tanamasoandro io satria tsy nakàna ny hevitry ny vahoaka avy eny ifotony fa natao araka izay itiavan’ny fitondràna azy. Sonia efa ho 1000 mahery no voahangona tao Ambotrimanjaka sy ny manodidina tsy manaiky io tetik’asa io, fa tsy noraharahin’ny fanjakàna.

Tsy ny tetik’asa no ratsy hoy ny depiote Mamy Rabenirina, fa tena tsara raha vita aza, saingy ny hanatanterahana azy ao Ambotrimanjakàna no tsy mety satria miteraka korontana ara-toekarena sy ara–tsosialy. Izahay hoy izy mahita toerana tena tsara azo anaovana io tetik’asa io sady tsy andoavana volabe ary tsy misy ady raha izay no hampilamina zavatra.

Nahitsy kosa ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa nilaza fa raha tetik’asa lehibe ohatra no misy rà mandrika sahady vao tsy manomboka akory dia tsy mahasoa izany. Eto izahay hoy izy dia manameloka ny fifamonoan’ny samy Malagasy, zavatra tsy tokony hisy akory ny zavatra toy ireny raha nisy ny fifampiresahana.

Eto koa izahay dia manambara fa tsy tsara ny manely vaovao tsy marina. Vao tsy ela akory no nisy mpanao gazety lazaina fa nanely vaovao tsy marina nasaina nandoa vola 10 tapitrisa ariary. Ankehitriny anefa ny compte Fake sy ny gazetin’ny mpitondra no milaza fa ny TIM no ao ambadiky ny fitokonana sy ny korontana eny Ambotrimanjaka. Mila atao ambonimbony ny ady hevitra hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa fa aza manao izany, eto ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny fitondràna indray no lasa mandrangitra olona ary mandefa sary mampihorin-koditra sy maha tohina.

Ny mponina ao Ambohitrimanjaka dia vahoaka Malagasy, misy ny TIM, ary misy ireo nifidy ny filoha Andry Rajoelina ary misy ny olontsotra, ka tsy tokony handefa vaovao tsy marina toy izany ny seraseran’ny mpitondra.